Mpianatra Voronezh


 

MAHEREZA FA AZA MORA KIVY, RY ZANDRY!

FA EFA “ROSO TOY SA MIPODY KOA”!

Ny  alakamisy faha 13 ny volana novambra maraina teo no tonga aty Voronezh , aty Rosia, ny mpianatra Malagasy fito mianadahy. Toy ny rehetra ihiany mantsy, raha toa ka mandao ny tanindrazana,  ka hoe handeha  ho any am-pita  izany ,  dia faly… ary dia faly tokoa! Toy izany ireto zandrinay ireto:

Soveny Mahasaha Davsault Lincoln, (SMDL) Mpianatra vaovao

Rakotomahefa Diamondra, (RD)

Jera Claudio, (JC)

Laurent Etienne, (LE)

Ratovomanambina Novan Hardhi, (RNH)

Nary Sambatra Irenee. (NSI)

Jean Sebastien Lippy, (JSL)

 

 Ny “indro kely” anefa, dia toa diso fanatenana izy ireo, araka ny teniny, raha iny fa mba nitafatafa iny izahay. Somary hafa kely ny fihetseham-pon’izy ireo, amin’ ity fiainana izay hita sahady (andro vitsivitsy nahatongavana teto) fa tsy araky ny nanampoizana azy. Ary efa manahy sahady hoe; “hanao akory” ny 5 taona, ny farany haingana indrindra amin’ ny fianarana aty Rosia. Mety  koa angaha ny hatsiaka no mamirifiry  loatra aty,  ka nanampotika  izato hafanam-po izay nentin’ izy ireo niala tany Ivato ( seranam-piaramanidina), nefa ny mahagaga dia mbola tsy ririna akory ny andro fa vao manomboka.

Ka ho hatraiza izany rehefa  -40⁰  izay  efa ho ato ho ato. Dia hanao ahoana re?

-Ny ahy aloha dia zavatra hafa tanteraka no noeritreretiko fa tsy izao zava-miseho zao sahady, ary toa mbola tsy tonga saina aho hoe “aty an-dafy” nalefan’ ny fanjakana Malagasy mba handrato fianarana aty Rosia. Manotany tena aho hoe ahoana ary ny hahavitako ny fianarana eto? Ny Ray aman-dReny tsy mikarama  million araka ny fiteny Malagasy, nefa na dia ny million (100USD) resahana eto anefa dia 2500 robla (vola Rosianina), ka ahoana ary no hahafahan’ izy ireo hamelona ahy aty an-tany lavitra aty!? Sa ny eo akaikin’ izy ireo angamba no hitako fa metimety amiko kokoa.  NSI

Tsy vao voalohany ny mpianatra mitaraina aty Rosia akory izao, nisy aza ireo vao tonga ary mbola tsy am-bolana akory dia niverina any an-tanindrazana.  Mety maro samihafa ny antony mahatonga an’ izay, nefa mety azo lazaina amin’ ny teny “indraimbava” ihany koa. Fa mba nanao ahoana marina tokoa moa ny nahatonga azy ireo taty?

Moa ve nisy ny fisivanana ireo “fangatahana”, ary inona avy izy ireo? Sa hoe nisy fitsapam-pahaizana na fanadinana natao dia izay?

-Atao angamba fa zany fivoahana an’I Madagasikara izany dia tsy vita mora, fa resaka taratasy maro samihafa no nilaina. Satria resaka ara-panjakana ilay izy. Akoatra ny taratasy sy ny mari-pahaizana avy tamin’ ny ambaratonga nianarana taloha, dia mbola notakina sy napetraka niaraka tamin’ ireo ihany koa “karne ny karama” ny Ray aman-dReny sy ny vola mivoaka.Izany hoe; ny lan’  izy ireo izany isam-bolana, toy ny jirama sy ny hetra sy ny sisa. Ary maro ny olona nametraka fangatahana fa izahay zao no nontsongaina. RNH

Ka tsy ho tokony hafaliana ve izany notsongaina tao anatin’ ny maro izany? Fa mba nanino tokoa moa no ianareo no nofidina haka aty Rosia? Tsara ve ny  taratasinareo, izany hoe ny fepetra maro samihafa izay, notakin’ireo minisiteran’ ny fampianarana izay nadray adidy ny fandehananareo aty?

-Atao hoe nohon’ ny vitana angamba, na koa hoe ireo marim-pahaizana avy tamin’ ny ambaratonga taloha, fa tsy ny “bulletin de salaire” (mari-karama) ny Ray aman-dreny mihintsy, raha ny marina no lazaina, no nahalasa aty. Satria tsy misy Ray aman-dReny any Madagasikara izany ka hahantoka ny vatsi-pianaran’ ny zanany aty Rosia izany  Satria iarahantsika mahalala ihany fa ny salantsala-karama(salaire moyen)any Madagasikara dia 500000 fmg (50 dollards). Ka ahoana  ary no hahafan’izy ireo  hizara sy handefa an’ izany aty ivelany! Ary tsy tokony hihevitra ny fanjakana fa ny zanikin’ ny “mahitahita” ihany no afaka manatsara ny tanindrazana. Satria tsy miankina velively amin’ ny harena ny faniriana tsara, izany hoe tsy tokony hatao an-kilambao ny zanakin’ny tsy manana. NSI

Raha izany ary no zava-misy,iza ary no mamatsy azy ireo? Ny fanjakana Rosianina  ve sa ny fanjakana Malagasy?

-Aiza moa no hisy Ray aman-dReny (vakio – Fanjakana) handefa ny zanany tiany hiala ny tanindrazany, mba ho any amin’ ny tany tsy fantatra iray, ka hilamin-tsaina? Ny hafa ve no handray azy ho sahala ny azy, ka hikarakara azy mba ho bolangona, nefa ny havany  tsy mahatsiaro azy akory? ataoko angaha fa haintsika tsara ny  teny Malagasy manao hoe “taizan-dray kely na koa hoe taizan-drenikely anie ka tsy mitovy amin’ izay niteraka velively e!” fa na dia izany aza dia deraiko ny toe-tsain’ ireo mpiandraikitra ny fampianarana Rosianina satria ny avy amin’ izy ireo dia tsy misy fanavakavahana fa ny mpianatra rehetra vahiny sy ny tera-tany dia mahazo sahala avokoa dia ny 1100 robla isam-bolana  izany. SMDL

-Manohana ny tenin’ ny teo aloha aho no sady manamafy fa “mpianatra antofan’ny fanjakana Malagasy” foana no fiantso anay. Ary araka izany koa ny taratasy nofenoanay tany an-toerana . Ary  tsy taty Mosko renivohitr’i Rosia akory no nikarakaranay ny taratasy maro samihafa, fa tany amin’ ny renivohitr’i Madagasikara (Antananarivo). Ary tena nandalo ambaratonga maromaro tokoa, hatramin’ ireo minisiteran’ ny fampianarana ambony izany, vao tonga aty izao. Ka amiko izany dia nanome antoka fa ofisialy ny fandehanako, ary hisy mpanara-maso araka ny tokony ho izy aho. NSI

Mahatsiaro fa very ZO ihany amin’ ny maha mpianatra nalefan’ny-fanjakana Malagasy. Satria maro ihany koa ireo firenena, izay azo lazaina fa mbola hoe mahantra lavitra nohon’ ny Madagasikara, nefa dia misy mitsinjo izy ireo ary izay kely ananany dia ifampizarany, araka ny tenin’ ny Ntaolo Malagasy manao hoe “valala iray  aza  ifanam-pahana”. Angamba nohon’ ny eritreritra fa hoe hoavin’ ny fireneny io ka mila vatsiana mba hahatsara ny ho avy. Mba ho reharehan’izy ireo ankehitriny sy zanaka aman-jafy.

 Fa mba ahoana tokoa moa ny eritreritrareo amin’ ny ampitso, raha vita ny fianarana izay hataonareo, ka hitodi-doha  ho any an-tanindrazana ianareo ?

-Vonona tanteraka aho ny hanome sy hampiseho ny zavatra izay nianarako rehefa tonga any Gasikara. Tiako ny tanindrazako ary tiako koa ny fianakaviako. Ary noho izany fitiavako azy ireo izany no mampilofoka ahy satria tsy afaka hanantona ny tsirairay aho ka ilazana hoe tiako ianareo, fa amin’ ny zavatra iray dia hahafahako maneho sy manam-porofo an’izany, dia ny fanomezako tanteraka zay zavatra haiko fa fantatro fa hahasoa azy.  JSL

 

24-11-2008

Tahiry

______________________________________________________________________________________________________________________________________________________

Vato-fianarana ve sa vatsim-pianarana?

An’isan’ny tanana goavana maneran-tany I Rosia, ary toerana manana ny maha izy azy tokoa! Voronezh dia tampon-tanana iray, 600km eo ho eo miala ny renivohitra Moscow! Atao hoe “ville des etudiantes” (tanana be mpianatra – fanitsian’ny fokomosko f.f.) izy io, ary araka izany indrindra dia aty no misy mpianatra Malagasy maro an’ isa, raha oharina amin’ny toerena sasany! Nisy ireo efa nahavita ka nody, eo koa ny mamaramparana, eo ihany koa anefa ireo vao manomboka sy ireo tsahoina fa ho tonga indray ato ho ato, amin’ ity taom-pianarana 2008 - 2009 ity! Hatao hoe tiatena angamba ny tranainy, raha toa ka mitsipaka ny hahatongavan’ ny ankizy vaovao, mety hoe ENY, nefa mety ho TSIA ihany koa, miankina amin’ny fijerin’ ny tsirairay ihany io! Eny, hafaliana izany manana namana manitra ny tanindrazana izany, nefa noho ireo antony maro samihafa no mahatonga azy ho Tsia ihany koa! Iaraha-mahalala fa ny lalam-panorenana aty amin’ ity firenena ity dia mbola tsy mamela ny mpianatra vahiny hanao asa an-tselika amin’ ny ora tsy fianarana, fa dia ny miala sasatra angamba no mety kokoa! Ity fialan-tsasatra anefa tsy dia azo ivalamparana loatra ihany koa satria mbola misy aty ny fijery aram-bolon-koditra. Valo mianadahy ny mpianatra Malagasy aty Voronezh , ka ny mifandom-bera pilasitika no matetika ataon’ izy ireo amin’ ny andro malalaka hahafahana miara-mipetrapetraka, hanaovana resam- behivavy araka ny fiteny Malagasy! Teo indrindra anefa no nandeha ny resaka momban’ ilay “vato-pianarana” na koa hoe “vatsim-pianarana” araka ny fiteny, nefa mampanahy ihany raha toa ka ny vatsy indray isan-taona no mbola azo atao hoe ariary na kopeika (iraimbilanja Rosianina – f.f.) ka enti-manisa fa tsy natao hiankinana toy ny vato fehizoro. 100$ no fandrain’ny mpianatra aty Rosia alefan’ny fanjakana Malagasy. Ny volana aogositra eo na semptembra eo no tonga io vola io. Angamba raha any Madagasikara io dia azo lazaina ho vola be ho an’ ireo mpianatra akaiky Ray aman-dReny, ka tsy mandoa hofan-jiro sy rano, trano, saran-dalana ary ny “assurance medicale” (hofan’ny fitsaboana isan-taona – f.f.), indrindra raha toa ka tsy hiresaka ny sakafo sy ny sisa isika! Raha avadika amin’ny vola Rosianina anefa ny 100$, dia eo amin’ ny 2300 “roubles” ( vola Rosianina - f.f.).Ka dia mizara folo ny lohan’ ny mpianatra raha mandinika an’ ilay vola, nefa zavatra iray monja no afaka anaovan’azy, atao hoe penina angamba? Nefa dia ahoana indray ny kahie? Ny kitra anefa dia efa rovitra tratran’ ny hatsiaka sy ny "neige" (tsy misy @ teny Malagasy fa azafady f.f.) daholo! Mihamidangana avokoa ny vidim-piainana ka misy fiatraikana goavana eo amin’ ireo zavatra izay aloan’ ny mpianatra isan-taona izany. Indrindra moa fa eo amin’ ny fidiran’ ny mpianatra sahala ny rehetra, dia ny semptembra izany. Taloha ny vatsim-pianarana ho an’ ny mpianatra Malagasy aty Rosia dia nataon’ izy ireo fividianana “assurance medicale”, tamin’ ny fotoana mbola naha 2500” roubles” azy isan-taona! Indrisy anefa fa tamin’ ity taom-pianarana 2008 - 2009 ity dia nitombo in-droa be izao ny vidiny, noho ny antony tsy miakina aminay, izany hoe 5000 “roubles”. Mitaraina ny ankizy amin’ ny lafiny ny maro samihafa. Nefa ity vatsim-pianarana , izay atao hoe azo amin’ny fanjakana ity, ary vao teo am-pelatanan’ izy ireo vao haingana fa saingy tsy nahafahana nanao na inona na inona, akoatran’ ny “visa” ( fahazoan-dalana mipetraka eto an-toerana – f.f.). Ka aiza ho aiza indray izany ny hofan-trano sy ny sisa, indrindra fa ity “assurance medicale” ity? Miady mafy ireo Ray aman-dReny amin’ ny resaka vola-tsakafo, fa ny mavesatra indrindra dia ity zavatra antohana maro samihafa, momban’ ny fianarana sy ny fitoerana eto. Satria iaraha-mahalala ihany ny fitoerana an-tanim-bazaha. Handrato fahaizana no nialan’ ireo ankizy ireo ny tanindrazana, nefa “ao amin’ ny vatana tomady no misy ny saina matsilo” araka ny tenindrazana, ary “mivezivezy ny saina, raha noana ny kibo”. Jereo anie ny maha-kanto an’ ity teny Malagasy e, ary manana ny maha izy azy tokoa. Ny “indrokely” anefa, dia tsy ny teny rehetra no afaka fantarina ny dikany raha toa ka raisina ity teny hoe VATSIM-PIANARANA!

Tahiry
Le-22-09-08

 




compteur