AZAFADY RY ZANDRY!


Zavatra mahagaga no nitranga tamin'ireo mpianatra vao tonga avy any Madagasikara. Zavatra mampalahelo! Azafady ry zandry! Amin'ny alalan'ity site ity no itondrako ny fialan-tsiny aminanreo zandry. Izaho no mitondra izany fialan-tsiny, kanefa inoako, fa maro izahay te-hanao izany. Satria maro koa izahay tia tanindrazana eto. Koa dia raiso re ry zandry izany fialan-tsiny izany, avy aty @nay izay mahatsapa-tena. Dia ampitao any @ Ray aman-dReny any Madagasikara any! Fa tena tsy tokony ho izany no zava-nisy, fa zavatra hafa! Indray mandeha farany: AZAFADY!!!!

Ho antsiaka rehetra izay eto Rosia kosa dia tsara ihiany ny mahalala inona moa izany zavatra anaovantsika azafady izany? Ny zavatra nitranga dia izao:

Tonga ireo zandrintsika ny 13/11/2008 izy 11 mianadahy. Tsy mba nisy mpiray Tanindazana na ny iray nitsena teny @ seranam-piaramanidina. Na ny iray an! Izany lehiben'ny fikambanan'ny mpianantra Afrikanina izany no mba teny, ankoatry ireo Rosianina. Tsy misy zavatra fantatra nefa aty, na ny teny Rosianina aza . Hany ka manaiky ambony ihiany ny zavatra ataon'ireo mpitsena. Ka izy 6 mianadahy, ho any Voronezh, samy nakan'ireo Rosianina 150 USD, nefa samy iaraha mahalala fa ny saran-dalana hatrany Voronezh dia 25USD. Fa ny tena nampalahalo dia ity zandry Ramerson!! Izy irery no makany Rostov, dia nakana 250USD (raha 50USD no tokony ho izy). O ry zareo a! Fantantsika ny vidin'izany any Madagasikara!!! Raha nisy nitsena ry zareo, angamba tsy ho izany ny zava-nisy!! Maninona izahay f747 no tsy nitsena? Tsy nahalala vanin'andro izahay! Fantatray ihiany fa hisy ho tonga, fa tsy fantatray hoe oviana! Efa nanao izay hiparitahan'ity site ity ihiany izahay, mba hisy hampilazana, fa dia tsy tratr'antso izahay! Napetrakay koa izany fanontaniana izany t@ ireo Ray aman-dReny ao @ maso ivoho. Fa raha araky ny valin-teny azonay dia izao:

Na ry zareo avy any Madagasikara, na ry zareo eto @ minisitry ny fampianarana ambony dia tsy nisy nampilaza. Tsy idirantsika lalalina iny, fa izany ary no zava-misy! Tsy misy fifandraisana ary ry zareo telo ireo, ka hatao ahoana! ! Fa samy mandeha, samy mitady! Fa dia tsy nisy nitsena ireo zandry! Fa ny zava-nisy kosa aloha, dia tonga tany @ Loumoumba ny solotenan'ny masoivoho teto an-toerana na alahady 16/11/2008. Satria raha tonga tany @ toerana misy ireo zandry izahay, satria misy 4 mirahalahy ry zareo no eto mosko, dia tao indrindra ny mpanolotsaina ara-kolotora.

"Vita igny fa raha managn'ay" Fa ny zavatra fantatray dia izao. Andro vitsivitsy taorian'io dia nisy teratany Malagasy tonga teto Mosko, avy any Varonezh, hitsena mpianatra. Tsy Malagasy aloha fa teratany hafa no notsenaina. Tsy tena misy dikany izany, fa ny tiana ho lazaina dia izao: azo fantarina ihiany hoe oviana no ho tonga ireo mpianatra.

Farany, dia mbola mamerina indray hoe azafady ry zandry. Efa manana ny fifandraisana any Madagasikara izahay ka dia hatao izay tsy hiverenan'izany!!

f747






compteur