Taratasintsika


Tompokolahy sy Tompokovavy!

Eto izany no hiseho ny fifanan-kalozantsika hevitra @ alaln'ny taratasy (E-mail)! Fa izao, tsy maintsy sivanina ny zavatra hatao ato. ka izahay tompon'andraikitra ato @ ity site ity no hanao an'izany. Sao mantsy misy zavatra tsy azo avoaka, ohatra adiresin'olona, nomero telefona, anarana na, sanatria, teny vetaveta na manaratsy. Toy izany koa ny anaran'ny mpandefa dia tsy asehonay avy hatrany, fa omenay anarana sandoka izy. Ka raha manana faniriana izy hoe, mila avoka ny tena anarany sy ny adresiny, dia amin'izay vao avoakanay. Ny anarana sandoka dia halefa @ valin-taratasy (E-mail) eo, mba hahalalan'ny tsiraiary ny azy!

Ny anarana ho entinay mpiandraikitra ity site izao ohatra dia f 747

Misaotra tompoko!


 


 

15/10/2008 12h 35mn

E.A. : Miarahaba anao tombon'Andraikaitra aho
Mahaliana ahy ilay fanomanana ny Noely , ka mba tiako ho fantatra hoe ny lehibe sy ny ankizy ve no mandray anjara ny fety ? ary efa fantatra ve ireo izay te handray anjara amin'izany ? , dia amin'ny fotoana rahoviana? sa ilay noelin'ny gasy ve no hanantanterahana azy?
Misaotra Tompoko !

f 747 : Misaotra anao E.A. vonona ny handray anjara sy nametraka fanontaniana! Toy izao ny azoko amaliana ireo fanontanianao. Efa misy pejy ao momba ny fanomanana ny Noely. Ary misaotra anao betsaka, satria nohon'ny fanontanianao no namoronana azy! Ao dia voalaza hoe iza no afaka mandray anjara. Voalaza ao koa hoe rahoviana no hanaovana azy. Eny, Tompoko, ny Noely Malagasy no hanaovana azy, fa raha araky ny zavata fantatray, dia hisy ihiany koa ny ao @ fiangonana Loteriana @ teny Frantsay, fa tsy manana fahafantarana lalina @ izany izahay. Satria tsy izahay no misahanaizany. Misaotra, Tompoko!


 

02/11/2008

IBA: Manakory ra f747.
Tsy ho lava resaka ny tenanay fa faly milaza aminao fa tena tsara ny ezaka nataonao @ ity site ntsika ity. tena mihatsara tokoa izy izao ary ny tenanay dia vonona koa hanampy anao @ alalan'ny torohevitra madinika.Dia mahavita be zokinaka.

f747: Misaotra anao IBA fa dia tsapanay izao fa tsy ho very maina ny ezaka ataonay. Ary tsapanay koa fa tsy irery izahay amin'izy ity! Misaotra Betsaka!

 


05/11/2008 20h 01mn

RJ: zay ko mba te ho any!!

Miarahaba anareo rehetra any ny tenako aty Madagasikara
nahita ny site web fokomosko.ru aho dia manoratra
ny aty tsy miova ny fiainana fa miakatra hatrany na dia efa betsaka aza ny ezaka ataon'ny fanjakana malagasy.
tena mangetaheta ny ho any izahay raha mahita ny site fotsiny tena mahafinaritra ery ny conception sy ny contenu
nanaovanareo azy ity
manana fikasana ny ho any aho ary efa vonona ny frais-ko fa ny olako dia hoe inona no atao any (motif) mitady asa atao aho fa mbola tsy mahita
fa ny hitako mety zao dia raha misy olona afaka manampy ahy @ zany satria tena sarotra hoa ahy aty Madagasikara ny hitady izany avy aty na misy aza ny internet
ka mba mangataka fanampiana re ra azo atao
fa samy gasy ihany isika mianakavy e!
ny pazzapa no malaza be aty zao "télé réalité"
Tiji no nahazo ny voalohany avy any Fianarantsoa lay zalahy
sady mahay mihira be koa an!
Eny indray ary
Manantena valiny avy aminareo e!

Anaran'ny RJ

Antananarivo 101
Madagasikara
tel: numero
e-mail: adiresy

 

f747: Misaotra anao RJ nanoratra @nay! Faly koa izahay fa omenao "courage" @ zavatra ataonay. Misaotsy bevata!

Raha ny valin'ny taratasinao dia izao:

1 - Isan'ny vatomisakana be indrindra aty dia ny teny Rosia sy ny fomba fisainana rosianina!

2 - Ny asa misy ihiany aty fa tsy maintsy ara-dalana daholo ny taratasy rehetra, fa raha tsy izany dia ataon'ny fanjakana mijaly, na ianao na ny mpapiasa anao.

3 - ny antony ilazana izany rehetra izany, tsy hoe sanatria tsy tianay ny hahatongavanao aty. Tsia, izahay aty aza efa vitsy be, koa tsy ho tsara ve raha mba misy Malagasy tonga? Fa tsy tsara ny mampanantena voromanidina. Fa raha mahita isika compagnie aty, afaka manafatra anao avy any, dia eo vao tena mora be ny hahatongavanao aty! Satria @ izay ry zareo no mandray ny raharaha rehetra hatr@ ny toerana hipetrahana sns...

Koa @ izany ry RJ, dia tsara raha manoratra indray ianao, dia asianao CV! Tsy mampanantena izahay, fa ny hanontany dia azonay atao. Misy fiteny izay any hoe: " Tsy misy mangataka voa tehamaina!". Essayer pas mal, hoy ny Vazaha.

Veloma vetivety ary.

=====================================================================================

05/11/2008 20h 40mn

JhTh: Fisaorana sy Fankaherezana
Faly miarahaba anao ny tenako... Voalohany dia fisaorana satria nanao ezaka be ianao @ fikarakarana ny mpiara monina malagasy eto rosia @ alalan'ity site ity fokomosko ity ka tsy hay hamaly fisaorana.... ka enga anie ny Tompo hanampy anao mandrakariva. Androany izao vao tena nanana fotoana tsara ka mamerina ny firariantsoa..... sy fisaorana ciao
, JhTh.

f747:MIsaotra anao JhTh! Tsapanay izao fa tsy very maina ny ezaka ataonay. Maivana izao ny famindranay! mille gracia!

=======================================================================================

12/11/2008 16h 14min

E.A. :Miarahaba anao aho
Dia voaray izany ilay tantara nahaterahan'i jesosy ka dia ezahana eo izany , ary firy ihany ny ankizy ho avy , ilay mpianatra io ?
Misaotra ny namorona ny tantara
Misy fanontaniana hoe ahoana ilay hoe ny hiran'ny ankizy?

f747: Faly miarahaba anao izahay ry E.A.! Misaotra @ ezaka izay hataonareo @ fanomanana ny Noely2008.
Ireto ary no azoko avaly ny fanontanianao:
Ny Mpianatra ho tonga, dia mbola tsy fantatra hatr@ izao. Ankizy anaky telo izao no nilaza fa ho tonga ny asabotsy hanaovana ilay Noely. Ka tsy nomena "role" aloha ry zareo, satria sao dia tsy afaka tampoka ry zareo. Raha azoko tsara ny tianao ho lazaina. Fa raha ny mpianatra vaovao avy any Madagasikara, hianatra aty, no tianao ho lazaina dia:
Araky ny feo renay, dia eo @ 11 eo ry zareo. Ary efa tonga aty, t@ 12/11/2008 teo, ry zareo. Raha tsy nisy ny sampona.
Raha ny hira ho an'ny ankizy indray dia:
Raha ny feo misy dia, efa vonona ny hira ho azy ireo, sy ho an'ny olon-dehibe koa. Fa ny mianatra azy no sisa. Ka @ 30/11/2008 io no hanombohana hampianarana azy ireo. Eto koa, dia manararaotra manasa ny Ray aman-dReny mba hitondra ny zaza @ io andro io. Na tsy mbola mahay teny gasy tsara aza izy ireo, Fa hira no hatao, ka afaka ampianarina azy rehetra.
Misaotra Tompoko!
=======================================================================================



сумка chanel 2.55 адреса: цены на реклама транспорт, телефон. Заказать качественную рекламу у нас!

compteur