Tompokolahy sy Tompokavavy!
Eto izany no misy ireo fifanoratantsika vao tsy ela. Fa raha liana ianao ka te-hijery ireo taratasy tany aloha tany, dia tsindrio ato ==> Taratasy nisy!
17.11.2008 / 23:25:19
Kartashova Ludmila :
Faly miarahaba anareo, ry Sakaiza malagasy!
Mampalahelo fa tsy mahazo na inona na inona eo amin'ny fanomanana sites aho.
Ny zavatra iray azo atoloranay anareo dia ny hiara-miasa miaraka amin'ny
Fikambanan'ny sakaizan' i Madagasikara izay efa miasa nandritry ny 8 taona.
Dia azonareo aterina ny fivoriana sy atao famelabelarana...
Efa nivoaka ny boky faharoa "Dans le pays mystereux de Madagascar". Ka azo
jerena amin' ny site
http://ambamadagascar.ru/assets/docs/madagaskar2006.pdf
Eo am-panomanana ny boky fahatelo ka ho raisina an-tanan-droa ny
lahatsoratra avy aminareo.
Raha sendra ilainareo dia vonona handefa ny famelabelarana sasantsasany
amin'ny teny malagasy (kanefa mikasika an'i Madagasikara izany na ny
fifandraisana eo amin'ny tanintsika).
Raha vonona ianareo handika amin'ny teny malagasy ny lahatsoratra sasany dia
ho faly izahay. (Mety ohatra ny lahatsoratra sasantsasany avy amin'ny "Dans
le pays mysterieux de Madagascar", indrindra izay mikasika ny fifandraisana
eo amin'i Madagascar sy i Rosia).
Mirary soa lalandava
f747:
Miarahaba anareo Sakaiza rehetra!
Faly sy ravo izahay raha nahavoaray taratasy avy aminareo. Fa tsy azoko tsara ny zavatra tianareo ho lazaina amin'ilay hoe:"Mampalahelo fa tsy mahazo na inona na inona eo amin'ny fanomanana sites aho." Tsy nahazo = не поняла sa = не получила? Satria raha ny fanaomanana ny site dia mbola mandeha hatramin'izao. Koa dia hafaliana no hisy eo aminay raha misy torohevitrareo. Indrindra moa fa tsy ampy mihintsy ny zavatra azonay lazaina ho an'ireo havana any ivelan'ny Rosia momba ny zava-misy aty. Koa dia miangavy anareo hanampy anay amin'izany.
Manaraka izany, momba ny hoe fanomanana ny boky faha telo,, dia izao no azoko ambara. Raha ny lahatsoratra aloha mety tsy ho haiko satria tsy dia haiko loatra ny manoratra. Fa araha ny fandikan-teny dia vonona aho, hanao izay azoko atao.
Miangavy anareo koa mba hampandre anay amin'ny alalan'ity adiresy ity rehefa misy fivoriana na fitokanana na zavatra ataonareo ka azonay atrehina,satria matetika dia tsy tratra-antso izahay raha toa ka ny ao amin'ny ambassade ihiany no mandre.
Farany efe nisy fiovany kely ny adiresin'ilay site; efa www.fokomosko.ru izy izao.
Misaotra betsaka, Tompoko!
===========================================================
14.11.2008
Razaka: Indro kely momba ny tranon-kala!!!
Voalohany indrindra aloha dia miarahaba anareo niketrika sy nahamasaka ka nanangana an'ity site ity ! Mpanao gazety ao amin'ny DMD ny tenako ka mba hanitsy ny hadisoana voalaza ao amin'ny vaovao an-gazety mikasikany mpianatra nosoratanareo:
Ilay resaka sy ny fiezahana no tsara fa tena tsy voafehy ny teny gasy ka ireto avy no hadisoana :
1-vato-mpianarana :tsy tafiditra ao amin'ny teny akademika izy io ary tsy mendrika ny hampidirina amina sehatra tahaka itony
2-Anisan'ny tanana goavana i Rosia : Rosia ve tanana sa firenena?
3-Tsahoina : tsy teny gasy izany hoe tsahoina ary sady tsy akademika no tsy tenin-jatovo!
4-Ny lalam-panorenana aty Rosia dia tsy mamela ny mpianatra...:Avaho tsara ny lalana (lois) sy ny lalam-panorenana ( constitution ),mety ny code de travail na ny lalana momba ny asa no tsy mamela hiasa fa tsy ny lalam-panorenana velively!
5-ny kitra rovitra,fa inona aloha ny kitra rovitra?Baolina ve ????
6- ny neige dia oram-panala ny dikany amin'ny teny gasy fa tsy hoe tsy misy ny dikany
7- Raha mamoaka taratasy atao an-gaazty toy itony dia mba asiana fanitsiana ary am-pandalovina sehatra maro vao azo avoaka ary aza dia manaratsy loatra an'ilay firenena toy io fa asio resaka ara-diplomatika fa tsy kiana avy any ambony ka hatrany ambany zany hoe lazao ny tsara sy ny ratsy !
Zay no azoko ambara fa dia mampahery anareo!
NB: Tsy nisy nampiana na nanalana ny zavatra voasoratrao
f747
Faly koa raha faly ny tenanay raha nahavoaray ny taratasinao (E-mail). Midika izany fa manomboka miely tsikelikely izy ity. Satria mantsy dia anisan’ny tanjonay koa izany. Ny hahalalan’ny olona ny momba anay aty Rosia aty.
Faly koa izahay raha nahazo ny fanitsianao, satria tsy nodianao tsy hita na, sanatrian’izany, nihomehezanao! Midika izany fa mba maminao, tahaky ny fitiavanay azy, ny teny Malagasy.
Faly koa izahay fa Mpanao gazety, indrindra moa fa ao @ DMD (na dia tsy hainay aza ny fanalavana azy) no manampy anay @ zavatra ataonay.
Ka noho izany zavatra rehetra voalaza etsy ambony izany, dia:
Meteza re, Tompoko, ianao hanampy anay hatrany! Raha ekenao, dia halefanay any aminao aloha ny zavatra voasoratray (mba ho hitsinao) vao ampidirina ato @ site. Misaotra, Tompoko.
Manaraka izany dia:
Koa satria moa ity site ity dia natao ho an’ny be sy ny maro, dia tsaratsara angamba raha hazavaina ihiany ny tiana ho lazaina eto. Satria mety misy tsy mazava ao matoa nisy izao zavatra izao. Koa dia raisiko (izaho f747) ny fanazavana. Satria izaho no nanome alalana hampiditra ireo soratanana misy ato, dia izaho izany no tompon’adidy.
1- Tsy vato-mpianarana no voasoratra ao, raha jerenao tsara, fa vato-fianarana, marina fa tsy misy ao @ teny akademika izany. Asa na fantatrao, angamba fantrao ( ianao Mpanao gazety), fa misy indraindray @nareo Mpanoratra sy Mpanao gazety ny filalaovana teny (jeu de mots). Ary mino aho fa hainao tsara fa misy ny zavatra “ tsy nisy, dia noforonina”! “Takamoa”, anarana noforonina io! Ka moa ve tsy mety ho tsara raha izahay no mamorona, dia ianareo no mampiditra azy ao @ “teny akademika”?
2- : Rosia ve tanana sa firenena?: Miala tsiny indrindra, @ namaky rehetra , fa tena diso tokoa ny zavatra voalaza. Mihinan-datsaka aza, hono, misy vary! ( tsy diso io, fa mba jue de mots)
3- Mitovitovy@ valin-teny № 1 no famaliko azy. Hafa tsy ny hoe: “miangavy re, raha azo atao, aza atao hoe “teny gasy” izany. Fa mba asio fanajana kely hoe “teny Malagasy””.
4- Tsy dia mahay lalàna loatra aho, fa raha ny azoko ambara dia izao; raha ny antony tsy hahafahan’ny mpianatra miasa aty, ny mpianatra hoy aho satria misy maro be ireo tsy zanatany fa miasa aty, dia betsaka. Tsy ny lalàna na ny lalam-panorenana fotsiny. Fa maro dia maro. Satria dia mbola tsy ara-dalana ny lalàna mitandro ny zo maha olona aty. Mbola eo an-dalam-pamolavolana azy izao ireo manam-pahefana aty. Tsy hivalaparana moa iny fa sao mahalava resaka.
5- Ny kitra, raha araky ny fanazavan’ny Mpanoratra azy, satria izaho nanontany ny momba an’io, Dia kahie (cahier) io. Tsaroako tokoa aloha, t@ mbola nianatra, fa nisy an’izany kahie akanga izany. Ka eto izany tsy akanga no sary eo @ ilay kahie fa baolina kitra. Fitenin’ny tanora any Madagasikara hono izany.
6- Misaotra betsaka, fa manomboka izao dia ho hainay fa “ny neige dia oram-panala”. Misaotra Tompoko.
7- Eto dia izao no azoko ambara:
a) Tsy dia olona diplomatika loatra aho( izaho f747), na dia tsy izaho aza no nanoratra fa izaho no nanome alalana, ka tsy dia tiako loatra ny fijery diplomatika!
b) Raha ny olona afaka hanitsy izay zavatra voasoratra dia sarotra t@nay izany satria izao izahay vao manana anao. Koa dia mino sy matoky izahay fa mba hisy ny fanitsiana. Misaotra anao mialoha.
d) Raha ny resaka fanaratsiana indray dia izao: Tsy fanaratsiana io Tompoko, fa filazana ny zava-misy. Mpianatra no manoratra, zavatra ratsy foana no hitany sy mihatra aminy. Handrato fianarana no anton-diany aty, nefa dia ireto no zavatra sasatsasany sedrainy aty;
- Tsy ampy ny vola misy eo am-pelatnany. Ny hofan-trano aloa (sao dia lazainao fa misangy ary aho, na koa hoe: “aiza hisy “boursier mandoa hofan-trano izany?”), ny fitsaboana aloa (assurances medicales), ny jiro sy rano aloa (mbola aza gaga koa ianao fa marina izany). Raha atambatra izany vola rehetra izany, mbola tsy ao ny sakafo sy ny fitafy @ andro mangatsiaka, dia eo @ 10000 roubles eo t@ ity taona 2008 ity (@ izao izaho manoratra izao, ny vidiny eo @ USD dia ≈ 362.31 USD eo).Izany no vola tsy maintsy aloa alohan’ny fidirana @ septembre. Nefa ny fitaovana ho entina mianatra mbola tsy maintsy vidina, ny sakafo moa etsy andaniny ( 1kg ny vary 2.3 USD @ izao androany 13/11/2008 izao). Nefa ny vola mba raisiny dia izao:
100 USD / taona avy @ fanjakana Malagasy, dia 40.29 USD / volana avy @ fanjakana Rosianina. Nefa izy tsy afaka miasa. Mitaraina @ Ray aman-dReny ao @ Masoivoho ry zareo, dia izao no valin-teny azony: “ Ianareo no te-ho tonga aty”
- Manaraka izany ny zavatra hitany dia fanavakavahana, hoatry ny tsy manna-jo izany ny olona mainty hoditra aty. Soa ihiany fa nadresy i Obama. 
- Raha ny ao Varonezh no lazaina , dia tsy afaka mivoaka matetika ry zareo, fa dia ao an-trano foana. Tsy afaka ny maka rivotra, fa matahotra ny ho voa daroka sy ho faty (mbola tsy sangy koa io!). izany hoe mitaitaina sy miady saina lava.
KA INONA NO ZAVATRA TSARA TIANAO HO LAZAINY SY HO SORATANY EO? 
Minoa ho fa ny misaotra aza no tokony hataontsika, satria ry zareo mba milaza ny zava-misy. Mba hahafahan’ny zandry ato aoriana mandanjalanja sy mandray fepetra.
Izay angamba no azoko entina manazava ireo tsy mazava ireo, fa dia mbola mamerina ny fisaorana anao be dia be indray.
Mino aho fa mbola hisy ny fanampianao any aoriana.
Misaotra betsaka.
f747