
Andriamatoa Christophe Jean-Michel “Fofa” Rabearivelo dia Mpanao sary hosodoko Malagasy monina aty Rosia. Any Sait-Peterbourg (Leningrad taloha – f747) izy no mipetraka, efa ho roapolo taona mahery izay. Efa misimisy ihiany izay ny fampisehoana mivelatra nataony. Anisan’izany ny fampisehoana ireo hosodokony tany Paris, Mosko, Madagasikara, Peterbourg, Tvery sy ny maro tsy tambo isaina. Izy koa no isan’ny namorona ny fikambanan’ny Mpanao hosodoko ao Petrebourg “Boevyi sloni” (Les elephants de guerre). Araky ny famaritany ny fomba fandokony dia “romantizma vaovao” no filazany azy. Hita @ asatanany fa dia tena manina ny tanindrazany (izay antsoiny hoe: Paradisa eto an-tany) i Atoa “Fofa”. Ary mino sy manantena koa izy fa , any andro, any volana, any taona dia ho iray sy hiara-mifaly izao tontolo izao.
Ireto ary ny santionan’ny asatanan’i Atoa “Fofa”


Raha tianao ho fantarina ny anaran'ny sary, dia tondroy (aza tsidriana fa tondroy fotsiny)! Raha misy fanontaniana na manampaniriana hividy dia manorata. Ny fifandraisana tsy miova!