FANAKAVIANA OLIVIA
Tompokolahy sy tompokovavy,
Amin’ny fo feno hafaliana no ilazana amintsika rehetra fa, dia tsy very maina ny rano nantsakaina! Ny momba ny fahaterahan’ny zanantsika no tiana ho lazaina etoana. Satria dia tsy navelantsika ho irery Rtoa Olivia sy ny fianakaviany. Efa misy sahady izao ny fandraisantsika anjara amin’ny fanampiana azy…
- Toy izany ny fanampiana ara-bola nataon’ny fianakavian’i Abasadaoro.
- Eo koa ireo efa nanome bodofotsy sy kilalao samihafa.
- Toy izanny koa i Mme Voangy (mpitsidika ao @ www.fokomosko.ru) izay miangavy an’i Rtoa Olivia mba hifandray aminy, misy ny hahazoany manampy azy ireo
- Ka dia isaorana azy ireo indrindra ny amin’izany.
Ho antsika izay manana faniriana amin’ny fandraisana an-tanana sy fanampiana, na koa hoe fanolorana ro-patsa, na misy fanontaniana sy toro-hevitra, dia afaka atao ao amin’ny bokindrakitra izany, na afaka manoratra amin’ny tompon’andraikitra ny tranokala. Raha vao azontsika ny E-mail-n’i Rtoa Olivia, dia tsy maintsy hampitaina @ isika ihany!
Dia ity pejy ity koa no atokantsika ho azy mianakavy kely. Hitantarana ny zava-misy sy hanaovantsika, raha ilaina, ny antso mikasika azy ireo!
Misaotra, Tompoko!!
f747


