
Faly dia faly isika rehetra!
Tsy omby tratra ny hafaliana! Satria dia nahazo dimby sy fara isika Malagasy aty Rosia! Misaotra anao ry Bavy a!
Tsara ho fantantsika izany vaovao mahafinaritra be izany! Tamin'ny Atalata, faha 21 ny volana aprily ny taona 2009, teo no tera-bao (vavy kely no nomen'i Tompo) ity anabavintsika ity! Tsy iza izany fa, dia Ramatoa Olivia, izay sady mamita ny fianarany any Voronezh.
Koa dia ho izahay rehetra, Mpiray tanindrazana aminao, hoe:
ARAHABAINA! DIA MAHAZAHOA FAHASALAMANA TSARA IANAREO SY ILAY VAHINIKELY! SATRIA DIA ILAINAREO IZANY, ARY IZANY NO ZAVATRA TENA SARO-BIDY SY TSARA INDRINDRA! IZAY IHANY KOA NO ZAVATRA TSY AZONAY OMENA NA ANAMPIANA ANAREO!! FA NY ANKOATR'IZAY DIA INDRETO IZAHAY, REHETRA TSY AN-KANAVAKA, VONONA NY HANAMPY AMIN'NY REHETRA! NY ZAVATRA TAKINA AMINAREO; DIA NY FITENENANA NY ZAVATRA ILAINA! AZA MANAHY IANAREO, FA ZANAKAY KOA IO! DIA MAHEREZA E!... AMPITAO @ DADANY KOA NY FIARAHABANA ATAONAY!!
Tsy mbola fantatray moa ny anarany!
Ka dia aza tsiny izahay @ity =>hira! <= ity! Fa ity no hira atolotray ho an'ny Vahinikely! Satria dia ny zavatra lazaina ato no tianay ho lazaina!
RAHA MISY AMINTSIKA TE HILAZA ZAVATRA NA TE HIARAHABA MANOKANA,
DIA AZO ATAO ATO => IZANY!