ALLO,ALLO!
27.09.2008
Antso hoantsika rehetra!
Tompokolahy sy Tompovavy! Hafaliana ho An’i Pasteur mivady no manasa antsika mianakavy, ny alahady faha-05 ny volana oktobra izao, hiara hijery sary mihetsika momban’ny Soratramasina.
Toy izao ny fandaharam-potoana amin’izany:
17 ora: - 17ora 30mn - Fahatongavantsika mianakavy.
17ora 30mn – 19ora - Fijeravana sarimihetsika sady mitsakotsako “cacapigeon”
19ora - Sakafo hariva sy fisotroana zava-pisotro.
Tongava isika mianakavy fa ny sakafo tsy ho ara-batana fotsiny fa ara-panahy ihiany koa. Izany hoe DOBLA ATAKY TSY MIVERNA! 
Ny sakafo moa dia tsy maintsy hatao menu Malagasy. Ary ilaina koa ny fahatongavantsika satria eo isika no handinika hoe inona no hatao sy oviana indray no hotohizana ny fijerevana ny sarimihetsika. Ary sao dia mety misy hevitra tsy takatray tianareo hampitaina. Ka ilaina tokoa ny fahatongavantsika.
N.B. Ny antony tokony hahatongavana koa dia izao, ireo vola sisa t@ 19.07.2008 koa dia isany ho enti-mananan @ io. Isany ho enti-manana hoy izahay , satria ny tena mpikarara dia izy mivady mampiatrano, Ka dia dera sy laza ho azy ireo. Koa dia manantena ny fahatognavantsika rehetra ary dia hifampiarahaba isika mianakavy!!!
Mety misy ireo namantsika tsy tratra antso, ka dia ampitampitao any ny fanasana. Ity ny adresy
Rue Vavilova 85 ( metro Novyi cheremoushky Новый Черемушки )
13 etage ch. 63
Numero tel Pasteur : 8-916-276-58-42
Tsaratsara isika raha miantso alohan'ny alakamisy 02/10/2008 mampandre hoe ho tonga, amin'izay mba ao "anaty kapoka"
Na miantso an'i Pasteur na manoratra aty aminay. Ao @ fifandraisana ao ny adiresy sy ny numero .


