Vaovao misongadina anio 24.09.2008


24.09.2008

Ramatoa mpivarotra voan’ny bala teo amin’ny tongony.

Petite vitesseFeom-basy in’efatra no nanaitra ny olona nifaneratsaka teny amin’ny petite Vitesse mihazo an’Isotry, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora, ka hita fa jiolahy iray eo amin’ny 30 taona no maty voatifitry ny polisin’ny GIR teny amin’ny  saokany, tendany, fihirifany ary ny kibony. Efa misy andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana sy sinto-mahery mitam-piadiana eny ka efa nandrasan’ny polisy. Nandeha àry ny feo teny akaikin’ny Muraille de Chine tamin’io fotoana io fa efa miala any ireo andian-jiolahy. Nanaraka azy ireo avy hatrany ny polisy saingy raha vao nahatsikaritra ireo izy  dia nandositra, dia io lavon’ny bala io. Tsy nisy taratasy teny aminy fa nahitana basy fohy marika MAB 6,35 sy bala 2. Ireo nanatri-maso kosa anefa nanazava fa jiolahy roalahy no efa nentin’ny polisy an-tanàna ka asa fa teny am-pandehanana no notifirin’izy ireo ny iray dia io maty io. Nisy vehivavy iray mpivarotra rano manitra aza niampitan’ny bala vao avy nitifirana ka naratra ny tongony havia izay efa notsaboina eny amin’ny hopitaly. Araka ny filazany dia nasain’ireo polisy notsaboina aloha ny ratrany. Nilaza ny hitory ity vehivavy voan’ny bala ity satria tsy nandray andraikitra ny olona nahatonga ny ratrany. Efa mandeha ny famotorana mikasika iny raharaha iny.
T.H


Все новости »»»




compteur