Tatitra t@ fihaonana Diaspora sy ny FNMM
29.04.2009
Dia faly miarahaba antsika indray @ alalan’ity tranokala ity! Tonga tsy miarahaba hono, naman’ny tezitra! Ka dia miarahaba izahay satria dia tsy tezitra, sanatria. Ny zava-misy aza dia faly tokoa. Faly satria nahafinaritra be ny fihaonana, faly satria nahita ireo mpiray tanindrazana sy ireo namana, …
Araky ny efa voalaza dia tany @ LZKAM no natao ny fihaonana! Somary sarotsarotra ihany aloha ny fitadiavana an’ilay toerana… Ny tena marina angamba dia, sarotra ho an’ireo nitondra fiara, satria dia ngeza be loatra ilay toerana, ka maro loatra ny vavahady. Fa soa ihany fa misy ankehitriny ny telefonina, ka dia nifampiantso ary dia nifankahita
! Mahafinaritra be ilay toerana satria dia feno zavatra mahafinaritra sy mahasoa. Ohatra @ izany ny tokontany malalaka be, sady tsara endrika be. Raha vao tafiditra an’ilay trano, dia avy hatrany dia zaridaina no hitanao eo manoloana anao eo! Ary tsy hay na sendrasendra na inona fa, dia maro be ireo zava-maniry avy any Madagasikara ao. Ohatra @ izany ny ravinala. Somary nahagaga aloha ilay izy, no sady nampirehareha. Ao koa ireo toerana mahasondriana hafa, toy ny mozaen’ny kilalaon’ny ankizy, ny toerana fanaovana fampiehoana mivelatra, ireo toerana fanaovana fampisehoana samy hafa. Fa ny tena nahavariana ny ankizy indrindra, dia ny toerana fitaizana biby. Tao ny vorona, tao ny gidro , tao ny bibilava, ny trondro, sns…
Ireo toerana rehetra ireo moa dia nandalovana daholo, satria nanonkanana fotoana mihintsy. Hita mihintsy fa faly be ireo zanantsika izay tonga tany. Sady nifankahita ry zareo no nahita zavatra vaovao.
Ankoatr’ireo zanantsika moa dia, maro ihany koa no tonga, mihoatra ny nantenaina. Satria vao ezaka voalohany iny ka dia nahafaly ny nahita ny olona tonga. Maro hoy izahay, satria ny zavatra rehetra dia eo @ fampitahana no ahalalana azy. Ohatra: raha volo anakitelo no eny amin’ny loha dia vitsy izany
, fa raha volo anakitelo kosa no anaty laoka dia betsaka izany
. Koa dia misaotra antsiaka maro be tonga.
Akoatra antsika mpiray tanindrazaana, dia tao koa ireo namana tao @ FNMM sy ireo tompon-trano.
Isaorana ihany koa ny Ray aman-dreny ao @ maso ivohon’ny firenena, fa dia nisy solon-tenen’izy ireo koa tao. Dia misaotra manokana an’i Ramatoa Mpanolotsaina izany isika rehetra, nahafoy fotoana ka tonga. Ary dia misaotra betsaka azy koa,satria dia efa fantatray fa efa nataony tsara laza tany @ fivoriana tany @ ambasady izany. Ka inoana fa hitarika ny olona ho tonga izany @ manaraka.
Araky ny voalaza tao amin’ny fanasana moa, dia fiarahana misotro dite sy kafe no natao tao, sady miresadresaka @ fomba malalaka. Ka dia nahafinairitra be izany. Na ny resaka(“Ny tantaran’ny diasapora Malagasy aty Rosia sy firaisana sovietika”), na ny zavatra nohanina niaraka t@ dite, ny bisky
, ny bonbon koko, ny gato, sns…
Araky ny fangatahanay mpandahatra tao moa, dia niangaviana ny tsirairay mba tsy hikasika mihintsy ny resaka momban’ny raharaha-politika any Madagasikara. Fa ankoatr’izay dia azo resahana daholo. Tao moa ny nitantara momban’ny tenany, tao nitantara ny mpianatra taloha. Raha atao teny indraim-bava dia “nahafinaritra” e!
Ankoatr’izany koa dia ity misy vaovao mahafaly:
Tafahaona tamintsika tao I Atoa Daniel, izany hoe tafahaona isika sy Atoa Daniel. Atoa Diniel dia Mpiray tanindrazana amintsika. Izany hoe; ny Rainy avy any Madagasikara. Efa hatry ny ela izy no nanana faniriana te hifanerasera amintsika, ka hafaliana tsy nisy toy izany ny antsika roa tonta rehefa nifanena. Tamin’ny roa taona lasa tany izy no nandeha nitady ny rainy tany Madagasikara, ary dia nifanena izy mianaka
! Mahafinaritra be ny zavatra toy izany. Efa ananantsika moa ny “imalaka”, fa dia tsy maintsy ho antsointsika izy rehefa misy fivoriana toy ireny. Izy raha teo moa nampanantena fa ho tonga foana!
Isaorana koa ireo Tompon-trano nandray antsika, fa dia nahafinaritra be koa ny fandraisana nisy. Araka ny nifanarahana tamin’izy ireo moa dia, iny fihaonana iny no voalohany fa ny manetsabe mbola ho avy! Azontsika ampiasaina daholo izay tadiavintsika ao, na trano fanaovana teatra, na fanehoana sarimihetsika, na toerana azo isakafoanana sy handihizana sns… Ka dia isaorana azy ireo be di be izany!
Teo am-pamaranana, dia tapaka ny hevitra fa afaka iray volana eo ho eo, dia mbola tsy maintsy hihaona indray isika. Fa mety hovaina kely ny zavatra hatao.
Ny sary nisy tamin’izany dia hapetraka ao @ pejy “album” ao, fa mbola miandry kely, mba ho voavory daholo ireo sary. Satria maro ny fankan-tsary tao ka dia ho sivanina izany.
Farany, ho ezahina ny @ manaraka mba tsy hifanindry @ fivoriana hafa ny fotoana ifanomezana. Satria ao ny te-ho tonga nefa tsy afaka tonga sy ny… 
Misaotra, Tompoko!


