Ny Paka 2009
20.04.2009
Ny paka 2009' ny diaspora Malagasy aty Rosia!
Dia isaorana ny Avo indrindra, satria dia Izy no nitahy ka nahatanteraka ny fankalazantsika ny paka 2009 teto Mosko.
Dia misaotra antsika rehetra koa,izay nadray anjara tamin’izany:
Atoa Ambasadaoro sy ny fianakaviany, nanatrika izany, ny Pastora nanomana ny fivavahana iraisam-pinoana, i Mr Donald nitarika ny fivavahana, isika izay namaky teny, ranom-bavaka sns… Isika izay nanetri-tena, tonga niatra hira koraly! Na dia samy sahirana sy lavitra toerana fodiana aza! Tsy ho hadino koa isika izay nampita ny hafatra amin’ny mpiray tanindrazana, satria raha tsy isika dia saika maro ny tsy tratr’antso! Mr Toky mitendry ny mozika. Isika izay nikarakara sakafo, fa dia tena natsiro daholo ny sakafo tao. Indrindra moa fa ilay gato tsara tarehy! Isaoana manokana Mr Toky!
Koa dia amin’ny fo feno hafaliana sy tsy fiambahambana no anoloranay ny fisaorana mitafotafo ho antsika rehetra!
Dia dera sy laza anie ho an’Andriamanitra!
Dia ato ary ny sary, raha hijery isika.
Misaotra, Tompoko!
f747


