Paska Malagasy aty Rosia!
6.04.2009
Araky ny fanasana hitantsika ao @ pejy varavarana io , dia manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka, isika rehetra Malagasy eto Rosia, ny vady aman-janaka koa ao anatin’izany, mba hiara-hankalaza ny Paska 2009. Ataovy antso avo any, re! Satria tsy maintsy misy ny tsy tratr’antso. Ao ny tsy manana fahazarana mijery fokomosko. Koa dia iangaviana isika rehetra mba hampita ilay herin’aratra
.
Ny asabotsy faha-11 ny volana aprily 2009 izao, @ 11 ora atoandro no hatao ny fivavahana iraisam-pinoana. Efa io @ fanasana io ny adirein’ny toerana hanaovana azy.
Ho antsika tsirairay dia misy “surprise” kely, satria izay afaka dia efa naira-nianatra hira tany @ Pastora. Koa dia hisy izany ny “surprise” hira masina.
Araky ny efa voalaza ao @ fanasana koa, dia hisy fiarahana misakafo aorinan’ny fiangonana. Koa dia mbola averina etoana, ny fiangavianana. Aoka mba samy hitondra izay zakany avy ny tsirairay. Na sakafo izany na rano fisotro. Tao amin’ny fianarana hira dia nisy fifanarahana toy izao, raha azo atao, dia iezahana mba ho samihafa ny zavatra karakaraintsika. Ka ireto avy ireo sakafo efa hisy hanao:
- Ravitoto sy henomby,
- Ravitoto sy henakisoa,
- Henomby ritra,
- Henabaolina,
- Trondro sy rononom-boanio,
- Saosisy saosy,
- Sambosa,
- Kabaro sy henomby (mazava ho azy
),
- Gato,
Mino sy manantena izahay, ary efa milendalenda
fa hisy hanao ny henodry. Fa mbola tsy niteny aloha ilay olona tena mahay azy!
.
Izay afaka mitondra vary koa dia isaorana mialoha. Fa sao dia ny laoka no betsaka, nefa ny vary tsy misy. Izay vao hoe” “ALEOKO NY AHY NY LAOKA NO BETASAKA, TOY IZAY NY VARY NO TSY MISY”. 


