TATITRA TAMIN'NY FIHAONANA


2.04.2009

Na dia andro natao hihomehezana aza ny andro voalohan’ny volana aprily, dia tanteraka soa aman-tsara ihany ny fihaonana tamin’ireo namana Rosianina, ny alarobia 01/04/2009 teo. Araky ny fanasana nataon’izy ireo. Tao @ institotan’ny Afrika izany no natao. Tsapa fa nahafaly an’ireo namana Rosianina ny nahita antsika Malagasy tao, na dia solontena fotsiny aza no tonga. Satria roa mirahalahy izahay no tonga tao. Fa ireo namana Rosianina no betsaka. Tsy ary ho voatanisa eto daholo moa izy ireo. An’isan’ny anton’izany dia ny tsy fisian’ny fifampafankatarana. Fa ny azo lazaina dia ireto;

 - Ramatoa Kartashova,

 - Andriamatoa Igor Sidi,

 - Mpampianatra sy Mpianatra vitsivitsy, avy tao @ institotan’ny Afrika,

 - Mpanoratra sy Poety vitsivitsy,

 - Solontena avy t@ ministeran’ny raharahambahiny eto Rosia …

Araky ny lohatenin’ny fihaonana moa (“Resadresaka momban’ny toe-draharaha any Madagasikara tato ho ato”), dia ny resaka ara-politika no maro tao. Fanontaniana tsy voa valy sy ny tombatombana  no betsaka tao. Fa ny zavatra nangatahinay, nony nahazo fitenenana izahay, dia ny hisian’ny fihaonana matetitetika. Ary ny faniriana, dia tsy ho resaka politika foana no hatao, fa mba hahamatotra ny fihavanana misy amintsika ( na Rosianina namana izany na isika Malagasy)ety Rosia. Dia nisinisy ihany ny resaka sy ny soso-kevitra nandeha. Ohatra @ izany ny fahavonanan’ireo namana Rosianina ny hanao “soiré” Malagasy, na fampisehoana iaraha-manao sy ny fampisehoana mivelatra. Izany rehetra izany moa dia tsy maintsy mitady vola ho enti-manana, ka dia raikitra fa ho tohizana ny fifandraisana ary ho ezahana izany rehetra izany. Koa dia efa manomboka izao izany, efa afaka matoky isika rehetra fa efa misy ny fandinihana an’ izany. Koa dia aza taitra isika, fa dia tsy maintsy ho avy izahay hiangavy fanampiana avy @ tsirairay, na dia toro-hevitra fotsiny aza.

 namanaRehefa vita moa ny fihaonana, dia nanasa indray koa i Andriamatoa Igor Sidi ny hihaona ny asabotsy, faha – 5 ny volana aprily teo. Dia nisy koa izany fihaonana izany. Teo indray dia resaka fampielezana no noresahina ( boky, gazety, internet sns… ). Koa raha tafita, dia mety hisy fihatsarany kely ity tranokalantsika ity.

 Izany sy izany, ry Havana no zavarta azo lazaina momban’ireo fihaonana t@ Namana Rosianina teo. Koa dia anjaran’ny tsirairay no mamisavisa sy manapa-kevitra, @ toerana tokony halainy manoloana izany rehetra izany.

 Misaotra Tompoko!

 

 


Все новости »»»




compteur