ANDAO HIARA-HIHIRA
2.04.2009
Filazana ho antsika koa, mikasika ny Paska 2009 ihany. Izay manana fotoana dia mba asaina isika hiarahianatra hira, mba ho hiraintsika ao am-piangonana. Izany fianarana hira izany dia hatao ao amin'ny tranon'ny Pastora ( ato =>> ny adiresy), Ny asabotsy 04 aprily 2009. Dia amin'ny 4 ora sy sasany tolakandro no fotoana. Ento koa ny ankizy fa mety afaka manampy antsika koa izy ireo!
Tsy mbola misy hira tapaka tsy maintsy hianarana, fa dia afaka manome hevitra dahola ny tsirairay.
Tsy maintsy mila rano angamba isika @izany, ka izay mahavimbina ranomboankazo moa dia raisina an-tanan-droa. (izay indray efa hevitra avy aty aminay Mpanantontosa ity tranokala ity). Satria mino izahay fa ny asa ifanampiana, no mora zakaina.
Misaotra, Tompoko!


