VAOVAO MAHAFINARITRA BE!!!


3.03.2009

 TANTERAKA NY FANIRIAN'IZY

MIVADY NY ALAROBIA 25/02/2009

mariazy Hanombohana ny resaka aloha dia ny " fiarahabana azy mivady nahatontosa sy nahatanteraka ny faniriany ". Arahabaina nahaorina toka-trano! Koa hoy izahay hoe: "Mahaorena toka-trano mamy"! Ho toka-trano misy tantely lalan-dava anie no hiananareo! Dia mbola ampianay koa hoe: " miteraha fito lahy sy fito vavy!" Hambinin-java-manahirana anie ianareo! Ary hoy ny fitenin-drazana: "Mba ho lamban'akoho anie ny anareo, ka faty no isarahana!" ...Farany, ity mba misy tenin-dRazana  tianay ho tsaroanareo; " TSY NY DONAK'AFO NO MAHAFANA TOKA-TRANO, FA NY MPIVADY MIFANARA-DRAHARAHA"

fotoana saro-bidy Ho antsika Mpiray tanindrazana kosa, dia niangavy anay mpanatontosa ity trano-kala ity izy mivady. Nampitondrain'izy mivady ny fialan-tsiny izahay. Koa dia mampita izany amintsika rehetra izay tsy tratra antso! Misy antony maramaro, izay tsy ary ho voatanisa etoana avokoa, no nahatonga izany!  Koa dia miala tsiny aminareo re, Tompoko! Ny manetsa be mbola ho avy! (izay indray efa izahay mpanoratra indray no manampinampy foana! Невинность)

vita

Manarak'izany, dia misaotra an'ireo afaka nanotrona anay (I.M.)! Ny avo anie hamaly ny soa ataonareo! Misaotra, Tompoko!

 


Все новости »»»




compteur