SOAVA DIA, DIA MAHAVITA BE, RY ZAREO A!
11.02.2009
Tsy hitanay izay ho lazauna, fa "faly sahirana" izahay!
Sahirana izahay, satria lasa nitodi-doha nakany an-tanindrazana i Mme Toky sy ny zanany telo vavy! Raha araky ny fiarahana teto sy ny zava-bitan'izy mivady ireo teto, dia asa foana! Tsy misy azona tenenina hafa tsy ny hoe: "MISAOTRA INDRINDRA, TOMPOKO! ANDRIAMANITRA ANIE HAMALY NY SOA VITANAREO SY HITAHY ANAREO @ ZAVATRA REHETRA ATAONAREO!"
Faly koa izahay satria fantatray tsara ny antony nanapahan'izy mivady izao hevitra izao! Fanampahan-kevitra am-pahendrena sy mendri-piderana no noraisin'izy mivady; dia ny hampianatra ny ankizy any an-tanindrazana! Dia mba ho ambinina @ izany anie izy mianakavy!
Ny azonay atao angamba; dia ny manome toky anareo (na dia efa manana Mr Toky aza ianarep!
) fa hitantara ny zava-misy aty Rosia @ alalan'ity tranokala ity! Koa dia manorata raha misy zavatra tianareo ho fantarina fa aza misalasala! Ny fifandrasana dia tsy miova.
Veloma hoy izahay aty!


