FITSANGATSANGANANA NIARAKA TAMIN'NY FIANGONANA


3.09.2008

 Manitra be!Manitra be!
Ny fitsangatsanganana niarahana tamin’ny fiangonana (Luteriana miteny frantsay)
Nahafinaritra dia nahafinaritra tokoa ny fitsangatsaganana. Indrindra indrindra fa ny fifanampiana tamin’ny fandaharam-potoana. Marobe ny entana tsy maintsy notanterina, ary lavidavitra ihiany lalana tsy maintsy natao dia tongotra. Nefa dia vita soa aman-tsara izany noho ny fifanampiana nisy. Teo ny vehivavy niandry ny entana. Nisy ny lehilahy nitatitra. Eo koa ny nanampy t@ fitondrana ny zaza eny an-toerana.
Tonga soa aman-tsara teny an-toerana. Dia nifanampiana ny fanamboarana ny toerana. Teo ny nampirana sy namoaka ny entana, nisy ny nanambotra ny fanaovana masokita, ao koa ny nanomana ny sakafo sy ny masokita. Raha baingona, dia nilamina ny rehetra. Ny sakafo izay nentin’ny tsirairay moadia natsiro dia natsiro.
Nony voky dia samy niala sasatra. Dia raikitra @ izay ny baolina kitra. Mahay baolina aloha ny Malagasy!!! Anisan’izany Mr. John, Mr. Toky, Mr. Sitraka, Mr Hery, Mr Mamy(Rexilia) sy ireo maro tsy voatanisa. Fa na dia ao izany, ny nahagaga dia ity. Hay ve ka ireo vehivavy Malagasy ka tena mahay baolina tsy misy ny toy izany. TOMPOKOLAHY SY TOMPOKOVAVY, Hafaliana ho anay ny mampahafantatra anareo ireo Zazavavy Mpilalao boalina kitra eto @ Diaspora Malagasy eto Mosko
Mlle ZO (Mpiandry tsato-tazo)
Mme Frankie ( Mpiandry Vodilaharana )
Mlle Cristalle ( Lohalaharana )
Ho anareo izy tsy nahita azy ireo milalao, dia mampalahelo ianareo! Izany ka baolina kitra. Asa raha tsy ny fianarana sy ny asa aman-draharaha, dia tokony ho Mpilalao igagana mihintsy ry zareo. Misimisia ny toy izany.
Efa miresaka baolina kitra ihiany isika! Maninona moa raha mifandmina isika, dia mba miara-milalao, na ho indray mandeha isaky ny roa volana aza. “Pour commencer” hoy ny vazaha. Tsy voatery ho balona kitra fotsiny izany, fa mahazo manolotra ny heviny daholo ny tsirairay. Mety hoe beloty, ramy, lotto, domino sns…. Amin’izay mba tsy votery mitady toerana, fa mety an-trano dia efa mahavita. Soso-kevitra ihiany iny. Azo atao koa hoe misy ny trano hihaonana, ohatra ao amin’I Mamy de Fort-Dauphin , fa ny sakafo sy ny zavatra iarahana mirevy dia samy mba mivimbina izay zakany. Soso-kevitra iny, fa izay manana ny heviny dia alefaso E-mail ( ragaby747@yahoo.fr ) na ataovy izay hampitana azy aty aminay dia ampidirin-tsika ato @ fokomosko ato!

IZAY MANANA SARY TOKONY HATAO AO AMIN'NY "ALBUM" KOA, DIA IANGAVIANA HANDEFA AZY ATY AMINAY! 

Miala tsiny kely aloha ry zareo fa mbola repotra kely ka tsy afaka manao ity site ity! ATTENTION REHE,  J'ARRIVE RAHO! Клёвый


Все новости »»»




compteur