FISAORANA AVY AMIN'NY FIANAKAVIANA RATSIZAFY
31.01.2009


Ry Mpiraitanindrazana isany, ry tapaka sy namana, Tompokolahy sy Tompokovavy!
Eny, fahoriana, tsy zaka zakaina tokoa no niseho teo aminay, indrindra fa ho anay lavitra aty. Nefa dia tsy nataonareo tsinotsinona izany, fa dia tonga ianareo. Nandao ny asa aman-draharaha, ny adidy amin'andraikitra, ny toka-trano... Nidododo, tonga hampionona sy hamafa ranomaso. Mafy hoy izahay ny zava-nisy, nefa dia tsapanay tokoa fa tsy irery tsy akory izahay. Na dia aty an-tany lavitra aty aza, fa na inona na inona ny zavatra hitranga, dia matoky izahay, fa manana havana, tapaka sy namana hanotrona anay amin'izay fisedrana mety hisy. Koa dia fisaorana lehibe dia lehibe no atolotray anareo rehetra, tsy an-kanavaka. Ianareo izay tsy afaka, noho ny antony izay tsy miankina amintsika, dia isan'izany anolorana izany fisaorana izany. Ka dia hataonay tsara laza any an-tanana izany. Koa dia misaotra, Tompoko!
Ny fianakaviana Ratsizafy.


