VAOVAO TSY MAHAFINARITRA


23.12.2008

LaurentMampalahelo kely ny vaovao azontsika omaly 22 / 12 2008. Voatery nitodidoha, hankany Madagasikara ity zandry iray.

I Laurent Etienne dia niara-tonga tamin'ireo zandry rehetra, handrato fianarana avy any Madagasikara ny 12 / 11 /2008 teo. Voatendry moa fa any Voronezh ry zareo hanao ny fianarany.Nony nivaly nefa ny "analyses medicales" izay natao, dia nahitana aretina ity zandry Laurent (f747 - tsy afaka milaza ny aretina izaho izay manoratra, satria tsy manana ny taratasy avy any @ hopitaly). Nanomboka teo dia tany @ hopitaly foana ity zandry no nitoetra. Ary dia nasaina nody, mba hitsabo tena. Nampanantena ry zareo ao @ oniversite fa mbola afaka miverina ity zandry, raha mahavita ny fitsaboana. Koa dia ny alatsinainy 22 / 12 / 2008 teo izy no nandray ny fiaramanidina, hody any an-tanindrazana.

Ny zavatra mba tsy nahakivy loatra kosa, dia hita fa tsy dia nalahelo loatra razandry! Asa na mbola tsy nahita "tsirony" loatra satria tao @ hopitaly tao foana, na faly fa hanao krismasy sy taom-baovao miaraka @ fianakaviana. mahazahoa fahasalamana, ra-Zandry!


Все новости »»»




compteur