MAY NY TANANA!
23.12.2008
Ivato
|
|
Nirehitra ny hotely kintana 5
|
|
Nisahotaka ny teny Ivato. Nirehitra ny hotely kintana dimy. Sinoa lahy 16 no indray sempotry ny etona.
![]() |
| Tra-doza omaly maraina ny hotely kintana 5 aorin'ny Sinoa eny Ivato, izay handraisana ny fivoriana an-tampon'ny Vondrona afrikana. Nirehitra ny tao anatiny ka teratany Sinoa miisa 16 miasa amin'izany hotely izany no indray tra-doza ka naiditra hopitaly. Valo eny amin'ny hopitaly loterana Ambohibao ary valo eny amin'ny HJRA Ampefiloha. Tao amin'ny lakavy no niseho ny loza. «Tsy fantatra izay zava-niseho tao fa setroka mainty nijolofo niakatra avy any ambany any no nanaitra anay. Avy aty amin'ny rihana faharoa aho no niasa nahita izany», hoy Robson, mpiasa malagasy iray tao an-toerana. «Tonga izahay dia niezaka ny nidina hamonjy ny korisa mandeha amin'ny herinaratra, saingy efa tapaka tsy nandeha intsony ny jiro. Dia lasa indray nivadika namonjy ny tohatra tany amin'ny ilany andrefana», hoy ihany izy. Nosoritan'ireto mpiasa ireto fa toerana fametrahana ireo kojakoja hanamboarana ny trano no ao amin'io lakavy io, ary tsy misy teratany Malagasy afaka miditra ao raha tsy miaraka amin'izy ireo. «Izy samy izy ihany no mivezivezy ao», hoy Laurent, mpiasa malagasy iray hafa. Kely ny fahavoazana Araka ny fanazavana nomen'ny tale jeneralin'ny orinasa Sogecoa, Liu Gnoziax, izay miandraikitra ny fananganana ny trano, dia avy amin'ny fifandraisan'ny tariby mitondra herinaratra tao amin'io lakavy io no nahatonga ny haintrano. «Tsy nisy aina nafoy fa ireo fitaovana napetraka tao no may, izay tsy mbola fantatra ny teti-bidiny», hoy izy. Nosoritany fa na izany aza tsy dia goavana ny fahavoazana. Tsy misy ahiana ihany koa amin'ny fanatanterahana ny asa sy ny fitsanganana ary ny fanamboarana ny trano. Notsindrian'ity tompon'andraikitra Sinoa ity ihany koa fa ny fahasemporan' ny etona simika tao amin'ilay lakavy no nahavoa an'ireo Sinoa naiditra hôpitaly ireo, izay injeniera sy teknisiana avokoa. «Ny oksizena no tena niasa betsaka amin'ny famelomana azy ireo. Izany hoe miompana amin'ny fitsaboana ny tratra aloha. Nisy nandoa ihany tamin'izy ireo ka notsaboina koa ny vavoniny, taorian'ny fameloman'aina», hoy ny Dr Feno Rasolofomamonjy, lehiben'ny hopitaly loterana eny Ambohibao. Tao avokoa mantsy no navantana noho ny vonjy aina ireo narary. Saingy nisy ny voatery nalefa tany amin'ny HJRA Ampefiloha, noho ny hakelezan'ny sampana vonjy taitra ao amin'ity hôpitaly ity. Nosoritany fa ny enina tamin'ireo tonga voalohany tao aminy dia saika torana tsy nahatsiaro tena avokoa. Efa avotra soa aman-tsara avokoa izy ireo amin'izao fotoana izao. Saingy mbola nohazonina ao amin'ny hopitaly ihany aloha hanaraha-maso tsara ny fahasalamany. |
| Nirina Rakotoson Date : 23-12-2008 |



