BAZARY @ NOELY!
5.12.2008
Ilazana sy asaina isika rehetra, tsy an-kanavaka, mba tonga hanotrona ireo mpiray tanindrazana amintsika. Satria izy ireo dia handray anjara @ fampisehoana mivelatra, izay hatao eto Mosko. Ny mpikarakara izany dia "NY FIKAMBANAN'NY VEHIVAVY AVY AMIN'IREO MASOIVOHO SAMY HAFA ETO MOSKO". Akoatry ny asa-tanana, izay inoana sahady fa hahavariana tokoa, dia mbola ho hitantsika ao, ary azo handramana aza, ireo karazan-tsakafo maro samy hafa. Koa tongava maro, fa ny maso hahazo fahafinaretana, ny kibo ho voky, moa ny adidy ho vita!! Izany dia hatao ny asabotsy 06/12/2208 izao. Manomboka @ 10ora maraina ka hatr@ 16ora. 100roubles ny fidirana!
Toy izao ny adiresy: Slavianskyii Bazar, Metro Kievskaya


