Taom-baovao! Taom-baovao! Taom-baovao!
22.11.2008
NANJARY NISY BALINA TAO AN-TANANA!
Tompokolahy sy Tompokovavy, Efa akaiky ity ny taom-baovao. Koa tsaratsara raha manomboka mieritreritra isika mianakavy, hoe inona no hatao @ izany. Satria raha efa antomotra be isika vao taitra, dia tsy hanana safidy maro isika. Ka izahay dia manana eritreritra toy izao. Nisinisy ihiany isika no niantso ka nanambara ny hetaheta te-hiara hanao reveillon sy hitsena ny taom-baovao. Misy maharatsy an'izany ve moa? Ka izahay efa niresaka ny momba an'io ihiany. Dia misy bar izay ao @ Loumoumba, efa vonona handray antsika. Efa misy ny fifanarahana tsotsotra. Koa raha vonona isika dia ho hamafisina izany fifanarahana izany. Fa mba tsy maintsy farafahakeliny isika mba telopolo... Ka izany dia tsy maintsy hatao haingana, fa raha tsy izany dia lasan'olona ny toerana. Koa dia iangaviana isika mba hamaly antso raha vonona. @ izay mba hizarana ny latsa-kemboka. Koa miandry antsika izany hatra@ 30/11/2008. Fa raha vitsy moa isika no te-hiaraka, dia hataon-tsika o @ leninskyi 123 izy. Nefa na izany na tsy izany, tsy maintsy miantso ihiany isika, mora hanamboarana ny fandaharam-potoana. Tsy mety intsony ireny hoe efa tonga ny fotoana ifanaovana, vao hoe ity ny latsa-kembokay. Ny antony dia izao: tsy volam-panjakana no hampiasaina fa izay eo no hatao mason-tsokina. Ka ny vola ilaina alohan'ny fety, fa tsy @ andron'ny fety na , sanatrian'izany, aorian'ny fety. Koa dia manantena sy miandry antsika mianakavy.
Misaotra betsaka.
Ny fifandraisana tsy miova.


