Tsy dia maro loatra no namaly ny antso!
21.08.2008
Miarahaba antsika rehetra indray!
Ny zavatra saika nataontsika t@ asabotsy izao dia aleo HO ZOKIN'NY ANY AORIANA. Satria olona telo ihiany no anamaly ny antso, ka ataonay fa tsy ampy ny ho enti-manana.
Fa izao mba misy fiangaviana @ntsika rehetra; IZAY MANANA HETAHETA (proposition), NA FANASANA, NA FILAZANA TIANA HAMPITAINA @ NAMANA MALAGASY dia manorata aminay. Io @ menu tsindrina (MANORATA AMINAY) dia sorato izay tianareo fa hampidirinay ato @ ity site ity.
Rehefa betsabetsaka isika mahalala ity adiresy ity, dia hampidirantsika pejy azo anaovana "chat" izy ity!
Ny manaraka an'izay dia toy izao!
Manasa antsika rehetra tsy ankanavaka ny fiangonana mba hiara hitsangatsangana @ izao asabotsy 23 aogositra izao. Any @ Bitsevskyi parc (Бицевский парк) ilay izy no hatao. Ka 10 ora no fotoana ifanomezana eo @ Metro Beliaevo (Беляево). Aza manao tara satria mety ho very raha tsy miaraka. Tsy misy latsakemboka izany, fa dia samy mba mitondra ny sakafo izay nomaniny tany an-trano daholo! Dia izay mahazaka moa, tsara ny mitondra fanalana hetaheta! Ny hatono moa izany dia efa ny fiangonana no miatonka azy.
Dia TONGAVA MARO EEE!
AZA MATAHOTRA IANAREO MIANAKAVY,
FA ASAINA DAHOLO NA LAHY NA VAVY!



