AU REVOIR! BIENVENUE PAPA SY MAMAN!
9.11.2008
Faly sady sahirana isika mianakavy! Faly satria lasa nitodi-doha nakany Antanindrazana i Papa sy Maman! Tsy misy akoatr'izany ny fiantsoanay azy mivady aty. Satria na dia eo aza ny fomba fiteny sy fanajana ny olon-dehibe, ny solon-tena sy ny masoivoho hoe Ray aman-dReny, dia Atoa sy Rtoa Rasolo dia nitondra ny rehetra ho toy ny zanaka mihintsy. Tsy niraviravy tanana fa dia nanao izay azony natao tokoa. Misaotra Betsaka, Papa sy Maman! Ary mba ho tanteraka anie ny fanirian'i Papa mikasa ny hanome ny heriny sisa rehetra hanompoana ny Tanindrazana. Ny Tompo anie, hanome fahasalamana sy tanjaka mandrakariva ho anareo mivady!
Sahirana isika, satria iza indray izao no hitondra antsika ho toy ny zanaka eto!?... Na dia izany aza, ny hafaliana no maro. Indrindra moa fa nahita fa , Atoa Rasolo dia efa manomboka avy hatrany ny fikasany hanompo Tanindrazana! Efa nisy izao ny interview izay nomeny ho an'ireo gazety any Madagasikara. Azontsika vakina ato izany ==>> Atoa Rasolo!


