ALLO! ALLO!
18.10.2008
Tompokolahy sy Tompokovavy!
Dia mbola faly miarahaba antsika rehetra @ alaln’ity site ity ny tenanay! Mino izahay fa “soasoa aby” isika mianakavy!
Araky ny nampanatenaina, sy ary araky ny faniriantsika rehetra, dia ho tohizana indray ilay fijerene sarimihetsika momban’ny Baiboly. Araky ny fantantsika, dia ny tapany faha- 2 amin’ny Tantaran'i Samsona no ho jerena amin’izany! Efa nisy tatitra natao ihiany ny momba ny zava-nisy tamin’ny tampany voalohany!
Akoatry izany, dia io fotoana io koa no ho hararaotintsika handihana ny fanomanana ny noely. Ny fandaharam-potoana sy ny fizarana ny andraikitry ny tsirairay ary koa ny “role” hatao. Marihana etoana, ho antsiaka tsy afaka tonga na tsy mipetraka eto Mosko, tsy hisalasala handefa ny kandidatora fa afaka alefa @ internet ny “role” voatendry ho anareo! Koa dia samia mandray anjara isika mianakavy.
Ny fotoana dia ny Alahady 26/10/2008 izao ao @ tranon’I Pasteur ( Metro Novyi Cheremoushkyi, Rue Vavilova 85, 13eme étage, app 63 ) ka toy izao ny fandaharam-potoana @ izany:
17ora -17ora sy sasany : ny fahatongavantsika mianakavy.
17ora sasany – 18 ora : fonomankomanana ny fijerevana sarimihetsika.
18 ora – 19 ora sy sasany : fijerevana sarimihetsika.
19 ora sy sasany - 21 ora : fifanankalozan-kevitra momba ny sarimihetsika. Ary koa ny fandinihana ny noely. Araka ny zavatra hita dia tsy ampy mihintsy izany adiny iray sy sasany izany . Satria dia tena mahafinaritra be mihintsy ny dinidinika atao. Ka tsy misy mijery famantanandro izany.
Avy eo dia miara misakafo hariva isika. Ka iangaviana isika rehetra mba hitondra izay zakany. Izay zakany, hoy izahay, satria tsy voatery akory io na, sanatria , hoe vidim-pidirana!
Koa dia manantena ny fahatongavantsika maro. Ny ankizy aza rarana tsy handeha, fa tokony ho tonga. Tsy ho irery mihintsy izy fa miara-milalao ireo ankizy ao.
Farany, fiangaviana lehibe. Aoka isika hanao izay azontsika atao mba hampandre anay mpiandraikitra @ alalan’ny telefonina na @ I Pasteur izany ( 8-916-276-58-42 ) na @ alalan’ny fifandraisana ao @ fokomosko. Jereo ao@ pejy “ Raha te-hanoratra ianareo”. Tsy hoe sanatria tsy ho raisina izay tsy mampandre, TSIA, tsy izany Tompoko. Fa izahay mpiandraikitra no mba te-hanao zavatra milamina , tsy
hahamenatra. Koa dia misaotra antsika isika.
Misaotra indrindra, Tompoko!


