FANOMANANA NY NOELY MALAGASY
12.10.2008
Tompokolahy sy Tompokovavy! Dia hafaliana ho anay ny mampdre antsika rehetra fa efa manomboka ny fanomanana ny Noely ho antsika Dispora Malagasy eto Rosia! Eto Rosia hoy izahay satria tsy voatery ho eto Mosko ihiany! Afaka mandray anjara daholo ny rehetra na avy aiza na avy aiza! Ny toerana hivantanana aty Mosko dia ho karakaraina, raha mila fanampiana koa eo amin'ny saran-dalana dia afaka ifanotronana eo! TSY MISY ASA TSY VITA RAHA IFANDROMBONANA!
Koa dia manantena ny fandraisantsika tsirairay anjara izany! Ary raha misy hevitra hitanareo fa mety hahatsara ny fetintsika, dia raisina an-tanan-droa fa aza misalasala!
ka ny isan'ny anasana antsika izay afaka sy manana hetaheta dia hanao spectacle kely isika @ io Noely io. Ny vontoatin'ny tantara moa izany dia momban'NY NAHATERAHAN'I JESOSY KRISTY!
Ny repetition dia tsy hanahirana antsika angamba satria ho zaraina @ alalan'ity site ity ny "roles", dia samy mianatra ny azy any an-trano. Fa rehefa afaka mihaona isika rehetra izay handray anjara, dia mihaona!manao repetition!
Dia aoka isika rehetra mba hanaraka ny vaovao ato @ ity site ity fa holazaina ato ireo "roles" ialaina!


