HETSIKE REHE TSY HANDRY TY LIO'O


17.08.2008

Tompokolahy sy tompokovavy, dia faly indray miarahaba antsika mianakavy ! Noho ny fahitanay ny mahamety sy mahatsara ny fiarahantsika, ary noho ny hetahetan' ny besinimaro,dia nanapa-kevitra izahay fa ho tohizana ny zavatra tsara vitantsika tamin’ny 19 jolay 2008.

Ny manao zavatra anefa dia tsy vita tsy ifanankonana. Ka noho izany dia ity misy hevitra sy dinidinika ho antsika mianakavy.

Ny asabotsy 23 Aogositra 2008 izao dia misy faniriana hiarahantsika mitsangatsanganana eny amoron-drano . Ny toerana eritreretina hanaovana an’izany, raha tsy misy ny sampona, dia any amin’ny “serebrenoe bore” (серебреное боре ).

Araka ny zavatra fantatray matsy dia mba tsara filaminana sy voakarakara ary efa voa omana mihitsy hanaovana pikiniky io toerana io. Ny fitaterana mandroso sy miverina dia ho tanterahintsika amin’izay vola efa eo ampelatanantsika, araka ireny tatitra nalefa tamintsika tany aloha tany ireny. Eo amin’ny hoenti-manana kosa dia toy izao:

-400r isan’olona.

-700r ny mpivady.

-Ny ankizy sy ny mpianatra araka ny mahazatra dia tsy mandoa vola.

Araka ny hita tamin'ny 19 jolay dia ireo vola ireo no hitanay fa ampy hanatontos 4;na ny fitsangatsanganantsika.

Vao mainka hahomby kokoa ny zavatra hataontsika raha samy mandray andraikitra fa ny entan-jarai-mora zaka. Koa dia mangataka antsika tsirairay avy mba hamaly ny antso ataonay . Ireto no zavatra tokony hifanomezan-tanana:



Fanentanana:

Ny lalaon’ny ankizy, fifaninanana samy hafa. (mila olona roa)

Fividinana ny zava-pisotro

mila olona iray miaraka amin'i Paul

Fanomanana ny mofo ho an’ny ankizy.

mila olona iray, tsaratsara raha vehivavy

Fividianana “legumes”

mila olona iray miaraka amin'i Paul

Fanaovana lasary!

mila vehivavy roa

Vary, Laoka, Masikita

Mamy sy Cristalle.

Fahatongavana aloha any an-toerana

mila olona roa,satria mila vonjena mialoha ny toerana mba tsy ho lasan’ny sasany.

Mozika

mila olona mahay mozika

CD

iangaviana izay manana mba hitondra



Ny ho entimanana moa izany dia halaintsika amin’izay voavory eo, fa ny fikarakarana no tena ilana antsika izay afaka.

Farany! Miangavy antsika izay afaka sy te-handeha mba hanoratra E-mail aty aminay. Mba hilaza hoe firy ny vola tokony homenareo. Amin’izay mantsy mba tsy voatery mitety isan-tokatrano izahay, fa halonay aloha ny vola izay voalazanareo. Fa any an-toerana no homenareo ny anjaranareo. Izay tsy afaka manoratra E-mail, dia afaka miantso anay an-telefonina. Io amin’ny pejy “fifandraisana” io ny adiresy sy ny telefonina.

Ny fandaharam-potoana dia halefa amin’ny manaraka eny ihiany. Satria mbola tsy maintsy ho any an-toerana aloha izahay.

Tsara raha alohan’ny Alakamisy 21 aogositra 2008 izao isika no manome valin-teny. Ampitapitao ny resaka hampandrenesana ny namana sy tapaka.

Koa dia veloma vetivety aloha.



Все новости »»»




compteur