
IZAHO JERENA, DIA MANGA NY TEE-SHIRT! 
Tompokolahy sy Tompokovavy! Matetika misy zavatra eritreretina, zavatra mampanontany tena., tsetsatsetsa tsy aritra. Zavatra tsy mila iadian-kevitra, tsy mila valiny, fa mandalo ao @ loha ao ihiany. Misy koa ny hevitra mandalo tampoka, tsy mahasoa an'iza na maharatsy an'iza! Fa dia mandalo eny fotsiny! Ohatra hoe: @ baolina kitra, raha atao lohalaharana izao ny libero mety mahoby a! Satria mety hainy tsara ny position d'hors-jeu. Ny zavatra toy izany no antony nanaovako ity pejy iray ity. Tsy natao izy ity hitifirana an'iza na an'iza! Raha ianao no mahimahina, "ovao jerinao". Ialako tsiny dian'izao fa tsy voatery ho @ teny Malagasy ofisialy foana no ho ato. Farany, matetika aho mahazo taratasy soratanareo avy any @ site fokomosko. Tsy misy tonga aty anefa ny zavatra soratanareo satria misy zavatra tsy voafeno ao! ohatra, tsy maintsy soratana eo ny E-mail, tsy maintsy mamaly ny fanontaniana anti-spam. Mety hoe @ teny Rosia ilay izy ka mety misy tsy mahazo. Ka noho izany dia tapaka ny hevitra fa sorato @ E-mail tsotra, fa hasiako pejy vaovao ato @ site hasiana ny zavatra voalazantsika rehetra! Jereo ao @ pejy " fifandraisana ao ny E-mail sy ny adiresy!!....Mandra-paha aloha dia iomisy sary, mba nahalasa embona ahy!
Tana naha be, Kolahy!

