DIASPORA MALAGASY ATY ROSIA


isika aty

Tompokolahy sy Tompokovavy "ZDRASSTVOUITE"Клёвый!

 Kely sisa dia ho feno taona iray ity tranokalantsika ity! Tonga angamba ny fotoana afaka hitodihantsika kely any aoriana, Inona ny zavatra vitantsika t@ izay fotoana izay? (Io ambany io ny tatitra @ izany).Inona ny tsy nety sy lesoka? Isaorana manokana @ izany io havantsika uhuj io@ Chat io, izay naneho ny heviny, fa " amateur be . sady be zahozaho be" izy ity! Misaotra azy satria mba misy hanarenana ny tsy mety. Kao aza misalasala re Tompoko isika milaza ny hevintsika... Tonga ihany koa ny fotoana hijerevana ny ho avy! Inona no tokony hatao? Inona no zavatra lahara-paha-mehana! Inona ny zavatra ilaina mba hampandroso ny fiarahantsika sy ny fifaneraseranantsika? Inona no zavatra mety ho vitantsika ho an'ireto zanantsika, izay tsy dia mahalala loatra ny momban'ny Tanindrazany sy ny tenin-dRazany? sy ny maro tsy voatanisa!

bokin-drakitra Ny hevitry ny maro moa mahataka-davitra, koa dia mangataka antsika tsirairay handray anjara @ izany ady hevitra izany! Koa dia apetraho ato amin'ny bokin-drakitra  ny hevitrao ====>

 

 

tsipika

IREO ZAVATRA NIARAHANTSIKA NAHAVITA!

Ny zavatra voatanisa eto dia ireo efa notanterahantsika, izay nandraisan'ny tsirairay anjara! Manomboka amin'ireo zanantsika izany ka hatramin'ireo Ray aman-dRentsika! Na Ray aman-dReny ara-panahy izany na ara-batana sy ny solan-tenam-panjakana izany! Isaorana manokana ireo Ray aman-dReny ao @ masoivahom-pirenena, satria dia nahavita be izy ireo tamin'ny fikarakarana ny fetim-pirenena, ny fankalazana ny 26 jiona izany!

Misaotra, Tompoko!

19/07/2009  Noely 2008  taom-baovao 

Paka 2009  fihaonana Diaspora  30/805/2009

Fianakaviana Olivia  Nary

 

tsipika




compteur