FETY BE

Tompokolahy sy Tompokovavy!
Araky ny voalaza tany aloha dia indro ary ilay fandaharam-potoana amin'io Fetintsika io!
Roa ireo efitrano azontsika:
1 - Trano fanaovana fivoriana, efa nivory tao isika indray andro.
2 - Trano fampisehoana misy toerana 300 isa.
Ka amin'io asabotsy faha-03 ny volana oktobra io dia, amin'ny 4 ora tolakandro no fotoana.
Ny torolalana dia mbola averina ato =>
, sao misy mbola tsy mahita.
Ao amin'ny efitrano voalohany izany no fotoana, aza matahotra isika fa tsy maintsy hisy mpitsena eo @ fidirana! Ka manomboka @ 4 ora ka hatr@ 5 ora sy sasany, any ho any isika no ao. Miara manala hetaheta sy miara mikorana sy mitsakitsaky ary mampiseho horonan-tsary mikasika an'i Madagasikara ho an'ireo namana vahiny. Tsara ho marihina fa horonan-tsary mikasika ny fitsangatsanganana no hatolotra @ izany. Fangatahana indrindra; andao mba hadinointsika kely mandritra io totorebika io ny toe-draharaha ara-politika misy any amintsika. Misaotra Tompoko!
Amin'ny 5 ora sy sasany isika dia mifindra ao amin'ny efitrano fampisehoana. Ankoatry ny teny fanolorana sy ny kabary mety hisy, dia Mpanoratra Rosianina vitsitsy no hitantara ireo zava-patany momba an'i Madagasikara. Eo ihany koa ireo tononkalo momba ny Tanindrazantsika. Adiny iray eo no natokana ho an'izany. Ka manomboka @ 6 ora sy sasany any ho any dia hanomboka ny fampisehoana nomanin'ireo namana, ny tarika " AFRIKANDA" izany. An'isan'izany ireo hira Malagasy vitsy hataon'izy ireo. Raha sitra-pon ilay Nahary dia mety hisy fampisehoana hataon'i Zandry Celistin! Mpively aponga Malagasy mianatra any "Ofa" efa manana ny lazany any @ toerana ianarany. T@ volana aogositra teo izao no nanao fampisehoana tany amin'ny firenena Moldavy ity zandrintsika ity. Fa ny antony mety tsy hahatongavany dia, isika nametraka fepetra aminy hoe tsy tokony ho tonga mihintsy izy raha toa ka manelingelina @ fianarany izany, na kely monja aza!
Koa dia hitantsika @ izany ary fa dia mila ny fanontronatsika tsirairay avy ity fetintsika ity. Koa dia tongava maro e!
Misaotra Tompoko!


