Toko tapaka, vilany mitongilana...


13.04.2009 / 16:00:32

ramora favori  Tonon-kalo  mampihomehy!

  Tonon-kalo fe tonon-kalo! Смеётся

================================================================================================================

17.01.2009 / 01:43:04

Nisy ady  ara-toe-karena goavana be indray andro. Resy sy ripaka ny ankabeazan’ny ariary… Lasa niakatra any an-danitra daholo ary  ny ariary rehetra! Tafiditra tsy nisy olana daholo ny 100 ariary sy ny 200 ariary. Nanomboka nisy ny sivana teo @ 1000 ariary sy ny 2000 ariary. Ary indrisy fa nolavin’ny anjely tanteraka ny “iray alina” ariary sady nasaina nodorana any @ afobe mihintsy!

- Fa nahoana loatra re, ry anjely, izaho no mizara anie ireny 100 ariary sy 200 ariary ireny, inona loatra no heloko? Hoy ny fidradradradrany.

- Tsy any no olana, hoy ny anjely; tsy mba mpiditra fiangonana mihintsy ianareo “iray alina” ariary mianakavy ireto! Ny bokotra aza no betsaka noho ianareo rehefa rakitra. Any @ toeram-pilokana sy ireo be masikita fanao tsaki-toaka ary lanonana feno setro-tsigara no mahavariana anareo! Смеётся

 

===============================================================================================

17.01.2009 / 00:55:03

Eo ary hoe ianao ho jerena raha  tsy mamo t@ reveillon Клёвый!

Feno tsikafokafona ilay farihy vao nodiovina tao anatin’ny 21 andro monja. Araka ny fantatra dia anatin’ny indray andro ny tsikafokafona iray dia lasa roa. Andro fahafiry no feno tsikafokafona ny ampahaefan’ny farihy?

VALINY

 Andro 20 : atsasaky ny farihy ny tsikafokafona.

 Andro 19 izany no ampahaefany!

Aza misotro be loatra ary moa @ manaraka! Смеётся ^ ao ny valiny! Selectionner-vo io tsipika mainty io dia ho hitanao ny valiny!

========================================================================================


08.12.2008 / 14:52:43

    Tao amin'ny SAFF (Sekoly Ambaratonga Faharoa) iray no niseho ny 
tantara.Taranja Frantsay tamin'izay. I Ramose mpampianatra dia tena 
masiaka be mihitsy ka dia natahotra azy daholo ny mpianatra. Ary ny 
zavatra tsy tian-dRamose indrindra dia ny miteny gasy mandritry ny ora 
fampianarany. I Lita sy i Fangy miara-mipetraka eny amin'ny dabilio 
farany, mangovitra mafy miandry tour fa adinin'dRamose lesona 
mifanesisesy isan-databatra ny ankizy.
 
    Izy mirahalahy ireo moa dia anisan'ireo mpianatra tena tsy mahavoa 
mihitsy amin'ny taranja Frantsay. Nisesy ary ireo mpianatra adinin-
dramose lesona. Mpianatra 4 sisa dia tokony ho anjaran'i Fangy. Tena 
mangovitra mipararetra mihitsy ilay ranamana fa izay fanontaniana 
apetrak'i Ramose amin'ireo ankizy eo alohany dia tsy misy hainy 
mihitsy. Farany mafy loatra ny "stress" tsy tantiny intsony ka dia 
nitsipaka safotra teo ambony seza teo i Fangy. Taitra mafy dia mafy i 
Lita teo akaikiny nahita izany ka hoy izy niantsoantso mafy:
 
- M'se, m'se, Fangy,... Fangy,... fangetorana (Fangy est torana). Смеётся

======================================================================================

1 - (25.11.2008 / 02:57:27)

Tao @ fitsarana

Mpitsara: Voa heloka ianao Atoa XYZ fa nahavoa tifitra olona, eny na dia tsy fanahy inianao aza ilay izy. Ka inona no mba azonao lazaina?

Atoa XYZ: Raha ny zavatra voa lazanao, Atoa Mpitsara, dia tsy azoko lavina. Marina izany! Fa raha tany anaty ala aho, nony nandeha nihaza, dia nahavoahifitra olona tokoa. Tsy fanahy iniako izy iny. Satria izaho saika hitifitra ilay vorona hitako, kanjo izy indray no voa tifitra. Isaorana an'Andriamanitra aza fa mba naratra fotsiny izy.

Ny hany azoko anamarinana tena angaha dia ny hoe:" TOA HOE, RALAMBO ANIE NO ANARAN'ILAY VOATIFITRA E!...." Смеётся




compteur