Mampalahelo


 

velomaMandria am-piadanana Ranamana!

Tsy ho very akory ny sorona nataonao!

Androany faha 18 ny volana oktobra no nanaovam-beloma ny namana Frank Adesi,mpiantra taty voronezh, tovolahy 21taona. Teratany Ganeanina ny rainy ary ny reniny Rosianina. 2 taona izay no nahatongava teto Rosia.

 

Kanefa dia vatana mangatsiaka no ho raisin’ny fianakaviany ato ho ato.

 

Mampalahelo tokoa ny mieritreritra ny zava-misy sy mianjady amin’ ny mpianatra vahiny eto Rosia, fa dia toa hanary aina no nahatongava aty, fa tsy handrato fianarana, araka ny zavatra miseho. Ary maro ihany ireo izay voalako na koa maratra eny an-dalana, nefa dia mbola azo sitranina ihany na dia mitondra fery aza avy eo. Eny an-dalana no famelezan’izy ireo ( Mpanejika sy Mpamono ireo tsy zanatany aty – f747 ) ny vahiny. Tsy hoe akory amin’ny toerana lavitra na mangingina, fa na dia eo akaikin’ ny toeram-pianarana na fiandrasana fiarakaretsaka dia ahavitan’ izy ireo ny fihetsika tiany hatao avokoa. Tamin’ ity indray mitoraka ity anefa dia tao an-trano no nahitana ny vatan’ilay tovolahy. Fa ny zava-niseho aloha hatramin’ izao dia mbola tsy mazava amin’ ny rehetra. Tamin’ ny alahady 12 oktobra hifoha alatsinainyteo, tokony ho tamin’ ny roa ora maraina teo, no nandao an’ izao tontolo zao Andriamatoa “metis-lahy” Frank Adesi . Araka ny nolaizana, dia tao an-tranon’ny olontiany, na koa hoe sakaizam-baviny, no niseho ity loza mampalahelo ity. Nilaza ity ankizivavy fa nisy disadisa kely hono teo amin’ izy roa, tahaka ny mpifankatia rehetra, ka nahatonga ity tovovavy nivoaka niala ny trano naka rivotra kely, teo @ 30 minitra teo. Indrisy anefa fa nony niverina izy dia tsy afaka nanokatra ny tranony tamin’ ny fanalahidy, ka niantso an-taribia an’ ireo Ray aman-dReniny. Ary izy ireo no niantso ny mpiandraikitra sy ny vonjimaika mba hidirana tao an-trano. Indrisy anefa fa vatana mangatsiaka no hita tao. Araka ny nolaizain’ ity Ramatoa dia hoe noho ny disadisan’ izy ireo, hono, no nahatonga azy namono tena. Nefa araka ny fahitan’ ireo akaiky azy, indrindra ny manodindina ary koa ireo masovoim-pirenena Ganeanina, dia mbola tsy afaka manamarina izay voa lazain’ ity ankizivavy ity ny tompon’andraikitra. Fa toa mbola maro ny zavatra tsy mari-pototra, ka tsara ho fantarina. Ary ny tena mahagaga koa anefa, dia tsy azo jerena ity vatany mangatsiaka hatramin’ izao. Nolazaina fa aorian’ ny fanadihadiana, izany hoe 3 andro aty aorina, indro anefa fa hatramin’ izao dia mbola tsy misy afaka nahita, ankoatr’ ireo mpisolotena ny masohoivo. Tsy afaka manao na inona na inona anefa itony mpiantra tahak’azy, fa dia nangina aman’ alahelo. Ka androany dia nivory ny mpianatra vahiny, nanao ny veloma farany. Niara-niombon’ alahelo tamin’ ireo namana tsy tapaka teo am-pijerena ny sariny maro samy hafa. Ary koa namela hafatra fampaherezana ho an’ ireo Ray aman-dReniny.

Araka ny voalazan’ny filohan’ny mpianatra avy any Gana eto Voronezh , Atoa Boakyc Boateng Josiah, dia mety amin’ ny alatsinainy izao ( 20/10/2008 –f747 ) no halefa any Moscow ny razana. Ary afaka andro vitsivitsy dia halefa any an-tanindrazany. Nilaza ihany koa izy, Atoa Boakyc Boateng Josiah, fa maro ireo zava-miafina, nefa tsy irery hoy izy izahay, na dia aty an-tany lavitra aty, fa manana ireo masovohonay. Ny maty moa maty ihany, araka ny fiteny, fa itony Ray aman-dReny handray ny vatana mangatsiaka no tena mampalahelo. Nalefa ity menakin’ ny aina mba handrato fianarana, indrisy anefa fa zava-dratsy no niseho. Malahelo ny namana rehetra, na ny akaiky na ny mifankafantatra fotsiny, satria samy vahiny aty an-tanin’ olona ka mataotra ihany koa.No sady manontany tena hoe: “iza indray ny manaraka?” Tsy vao voalohany niseho mantsy izao. Fa efa maro ihany ireo namana tanora nafoy hatram’izay.

Andriamanitra anie hiantra an’Andriamatoa Frank Adesi.

Flora

Varonezh 18-10-2008




compteur