MPANAO GAZETY


Vato-fianarana ve sa vatsim-pianarana?


Mlle Florantine

An’isan’ny tanana goavana maneran-tany I Rosia, ary toerana manana ny maha izy azy tokoa! Voronezh dia tampon-tanana iray, 600km eo ho eo miala ny renivohitra Moscow! Atao hoe “ville des etudiantes” (tanana be mpianatra – fanitsian’ny fokomosko f.f.) izy io, ary araka izany indrindra dia aty no misy mpianatra Malagasy maro an’ isa, raha oharina amin’ny toerena sasany! Nisy ireo efa nahavita ka nody, eo koa ny mamaramparana, eo ihany koa anefa ireo vao manomboka sy ireo tsahoina fa ho tonga indray ato ho ato, amin’ ity taom-pianarana 2008 - 2009 ity! Hatao hoe tiatena angamba ny tranainy, raha toa ka mitsipaka ny hahatongavan’ ny ankizy vaovao, mety hoe ENY, nefa mety ho TSIA ihany koa, miankina amin’ny fijerin’ ny tsirairay ihany io! Eny, hafaliana izany manana namana manitra ny tanindrazana izany, nefa noho ireo antony maro samihafa no mahatonga azy ho Tsia ihany koa! Iaraha-mahalala fa ny lalam-panorenana aty amin’ ity firenena ity dia mbola tsy mamela ny mpianatra vahiny hanao asa an-tselika amin’ ny ora tsy fianarana, fa dia ny miala sasatra angamba no mety kokoa! Ity fialan-tsasatra anefa tsy dia azo ivalamparana loatra ihany koa satria mbola misy aty ny fijery aram-bolon-koditra. Valo mianadahy ny mpianatra Malagasy aty Voronezh , ka ny mifandom-bera pilasitika no matetika ataon’ izy ireo amin’ ny andro malalaka hahafahana miara-mipetrapetraka, hanaovana resam- behivavy araka ny fiteny Malagasy! Teo indrindra anefa no nandeha ny resaka momban’ ilay “vato-pianarana” na koa hoe “vatsim-pianarana” araka ny fiteny, nefa mampanahy ihany raha toa ka ny vatsy indray isan-taona no mbola azo atao hoe ariary na kopeika (iraimbilanja Rosianina – f.f.) ka enti-manisa fa tsy natao hiankinana toy ny vato fehizoro. 100$ no fandrain’ny mpianatra aty Rosia alefan’ny fanjakana Malagasy. Ny volana aogositra eo na semptembra eo no tonga io vola io. Angamba raha any Madagasikara io dia azo lazaina ho vola be ho an’ ireo mpianatra akaiky Ray aman-dReny, ka tsy mandoa hofan-jiro sy rano, trano, saran-dalana ary ny “assurance medicale” (hofan’ny fitsaboana isan-taona – f.f.), indrindra raha toa ka tsy hiresaka ny sakafo sy ny sisa isika! Raha avadika amin’ny vola Rosianina anefa ny 100$, dia eo amin’ ny 2300 “roubles” ( vola Rosianina - f.f.).Ka dia mizara folo ny lohan’ ny mpianatra raha mandinika an’ ilay vola, nefa zavatra iray monja no afaka anaovan’azy, atao hoe penina angamba? Nefa dia ahoana indray ny kahie? Ny kitra anefa dia efa rovitra tratran’ ny hatsiaka sy ny "neige" (tsy misy @ teny Malagasy fa azafady f.f.) daholo! Mihamidangana avokoa ny vidim-piainana ka misy fiatraikana goavana eo amin’ ireo zavatra izay aloan’ ny mpianatra isan-taona izany. Indrindra moa fa eo amin’ ny fidiran’ ny mpianatra sahala ny rehetra, dia ny semptembra izany. Taloha ny vatsim-pianarana ho an’ ny mpianatra Malagasy aty Rosia dia nataon’ izy ireo fividianana “assurance medicale”, tamin’ ny fotoana mbola naha 2500” roubles” azy isan-taona! Indrisy anefa fa tamin’ ity taom-pianarana 2008 - 2009 ity dia nitombo in-droa be izao ny vidiny, noho ny antony tsy miakina aminay, izany hoe 5000 “roubles”. Mitaraina ny ankizy amin’ ny lafiny ny maro samihafa. Nefa ity vatsim-pianarana , izay atao hoe azo amin’ny fanjakana ity, ary vao teo am-pelatanan’ izy ireo vao haingana fa saingy tsy nahafahana nanao na inona na inona, akoatran’ ny “visa” ( fahazoan-dalana mipetraka eto an-toerana – f.f.). Ka aiza ho aiza indray izany ny hofan-trano sy ny sisa, indrindra fa ity “assurance medicale” ity? Miady mafy ireo Ray aman-dReny amin’ ny resaka vola-tsakafo, fa ny mavesatra indrindra dia ity zavatra antohana maro samihafa, momban’ ny fianarana sy ny fitoerana eto. Satria iaraha-mahalala ihany ny fitoerana an-tanim-bazaha. Handrato fahaizana no nialan’ ireo ankizy ireo ny tanindrazana, nefa “ao amin’ ny vatana tomady no misy ny saina matsilo” araka ny tenindrazana, ary “mivezivezy ny saina, raha noana ny kibo”. Jereo anie ny maha-kanto an’ ity teny Malagasy e, ary manana ny maha izy azy tokoa. Ny “indrokely” anefa, dia tsy ny teny rehetra no afaka fantarina ny dikany raha toa ka raisina ity teny hoe VATSIM-PIANARANA!

Tahiry
Le-22-09-08




compteur