AIZA NY RARINY!?
Ny fitafiany no nahatratrarana an’ireo “nationalistes”
( izany no fiantsona ny fachiste sy ny skinhead aty. - f.f.)
Nivoaka ny didim-pitsarana momban’ny nahafaty ilay mpianatra avy any kongo.
Dmitryi Marakolin, gazety "Kommersanti" , 20 jiona 2007
Navoaky ny tronom-pitsaranan’ I Sankt-Peterborg omaly ny didim-pitsarana momba ny nahafaty ilay mpianatra avy any Kongo – Rolland Epossac, maty voadidy antsy t@ septambra 2005. Efatra mirahalahy mponin’I Sankt-Peterborg no voaheloka tamin’izany, gadra 7 ka hatramin’ny 14 taona ry zareo.Ny havan-dry zareo sy ireo “supporteurs”, raha nandre izany, didy izany dia nanao tokona teo anaoloan’ny tranam-pitsarana.
Tamin’ny septambra 2005 teo no nitrangan’izany loza izany, teo an-tokotanin’ny trano # 8 amin’ny lalam-ben’ny “Naoka”. Raha iny fa handeha hitsena ny ankizivavy namany ilay tovolahy, dia voatsikaritry izy 4 mirahalahy voalaza etsy ambony. Notorahan’ny iray @izy ireo vato ilay zazalahy afrikanina, dia nataon-dry zareo an-garedona. Nalavony ary novonovonoina ity zazalahy. Araky ny fanadihadiana vita, dia tsindrona antsy 10 eo ho eo no hita teny @ vatan’ity zazalahy Afrikanina ity. Efa nanao izay afany ny mpitsabo fa dia maty teny @ hopitaly razazalahy.
Nosokajian’ny fitsarana ho heloka vita nohon’ny fanavakavaham-bolon-koditra izany. 4 mirahalahy, izay mipetraka tsy lavitry ny toerana nitrangan’ny ady, no voapanga tamin’izany. Andre Olenev, Yuri Gromov, Dmitryi Orlov ary Andre Gerasimov. Ny porofo misy, araky ny fanadihadiana natao, dia ireo sari-mihetsika azon’ny kamera misy @ ireo trano tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny ady. Teo koa ny vavolom-belona sy ny valin’ny analizy izay natao. Ny iray @ ireo analizy ireo no nahitana fa, ny volon-damba nisy teny @ ilay zazalahy maty dia mitovy @ volon-damban’ireto voapanga. Kanefa ny Mpisolovavan’izy ireo nilaza fa tsy meloka mihintsy ireto soloiny vava. Satria, hoy izy, ireto voapanga dia afaka manaporofo fa tsy nisy teo @ ilay toerana nitrangan’ny ady, t@ io ora io. Satria ny sasany tany an-trano, ny sasany tany ivelan’ny Sankt-Peterborga mihintsy.Ankoatry izany, raha jerena ny ra nandriaka, dia tokony ho feno ra ny akanjon’ireto voapanga. Nefa tsy nahitana na ra kely akory teny @ izy ireo.
Ireo fitsaram-bahoaka, dia resy lahatra, ka namela ireo voapanga ho afaka. Kanefa nofoanan’ny fitsarana ambony izany didim-pitsarana izany. Dia naverina indray ny fanadihadiana sy ny fitsarana. Ny loan-taona 2007 dia natomboka indray ny fitsarana. Rehefa avy nihaino ny an-daniny sy an-kilany ireo Mpitsara dia nanameloka azy 4 mirahalahy voampanga ireto.
Atoa Aleksandra Korsonov, Mpanameloka, dia nangataka ny fitsarana hanagadra an’I Gerasimov 15 taona, iGromov 9 taona, Olenev 10 taona ary I Orlov 7 taona.
Nony nivoaka ny didim-pitsarana dia: I Olenev sy Gromov gadraina 9 taona avy, Orolv 7 taona. Ny nahazo sazy be indrindra dia I Gerasimov izay nogadraina 14 taona.
Ny mpisolovava dia nilaza fa, satria tsy hahitan’izy ireo marina ny any @ fitsarana ambony, dia hampiakarin-ndry zareo any Strasborga, any @ fitsarana eoropeaniny ity raharaha.
Nandritry izany fotoana izany I Atoa Yuri Belaev, lehiben’ny antoko politika “ svoboda” (fahafahana – f.f.), izay nofoanan’ny fanjakana ny volana aogositra 2006, satria voapanga fa antoko-politika mampiely ny fanavakavaham-bolon-koditra, dia nitarika fitokoana teo anolan’ny tranom-pitsarana. Teo @ 20 teo ry zareo, ireo havana sy naman’ireo voaheloka, namelatra lamba misy soratra hoe “Loza! Misy fasista ao @ fitsarana ambony”sy hoe “Mety ho ianao koa no ho voaheloka @ manaraka” Rehefa nahita an’izany ireo mpitandro ny filaminana, dia nadray andraikitra hanakisahana ireto “mpitolona” mba hahafahan’ny polisy mamoaka ireto voapanga, ka hampidirana azy ireo anaty fiara hitondra azy ireo any am-ponja.


Mpanoratra – Razovaev
Mpandika-teny – site www.fokomosko.okis.ru


