Tsy very maina ny rano natsakaina


FISAORANA LEHIBE AVY ATY AMINAY MPANATONTOSA!:

fisaorana

Fisaorana lehibe dia lehibe no atolotray antsika tsirairay avy tsy an-kanavaka! Misaotra, Tompoko! Na ho anareo izay efa nandray sy mbola handray anjara, na ireo mbola tsy nandray anjara , noho ny antony marao samy hafa. Ao koa ireo manana faniriana, fa mbola tsy mahalala izay fomba hanaovana izany! Izahay milaza aminao fa, ny fanirianao fotsiny aza dia efa  zava-dehibe!

 Koa dia misaotra antsika, amin'ny anaran'ireo zandry vao tonga handrato fiananrana! Satria dia tsy navelavela handeha ho azy toy ny ... lasan'ny rano! Fa tao ny nanome kiraro mafana, nanome akanjo mafana. Tao koa ny nanampy sy mbola hanampy amin'ny fandefasana vola avy any an-tanindrazana. Fantantsika tsara ny fahasarotan'izany, tsy misy fika mihintsy ny fandefasana an'izany raha tsy manao fifanakalozana avy aty! Koa dia misaotra anareo !!!

 Misaotra antsika koa amin'ny anaran'ireo havana any Madagasikara, amin'ny fanampiana mitady ireo havana aty! Satria dia efa afaka nifandray tamin'i Atoa Yves Anselme! Misaotra betsaka anareo! Fa Atoa SOLOHERISON CLEMENT moa dia mbola tsy hita  hatramin'izao. Nefa mino izahay fa, ny fiarahantsika dia hahavita zavatra maro!

 Misaotra tompoko!



data copy. Online consultation for order valium.

compteur