TIANA HO LAZAINA


...IZAY MITADY DIA HAHITA....!

Ny Baiboly

Iaraha mahalala fa isika Malagasy dia an'isan'ny tia Fivavahana. Tsy misy tsara mihoatra an'izany. Nefa aty an-tany lavitra aty matetika dia tsy voatery hisy fiangonana @ teny Malagasy. Na koa tsy afaka mankany am-piangonana isika. Nefa ny fanahintsika mangetaheta. Koa satria ity site dia natao ho antsika, fa tsy sanatria isika natao ho an'ity site ity, dia indro ary ny zavatra mba azonay atao hamenoana izany mbanga izany. Tsindrio fotsiny ato => NY SORATRA MASINA dia ho tonga any @ siten'ireo namana mampiely Baiboly ianao. Ao misy andiany azon-tsika vakiana isan'andro!

===============================================================

NY ARA-POLITIKA!!!

Misy amintsika indraindray manontany anay Mpanatontosa ity tranonkala ity. Fa maninona moa izahay no tsy mitantara ny zava-misy any an-tanindrazana, indridra fa ny zava-misy ara-politika? Tsy manana ny hevitray ve izahay?

Ny antony dia izao: 1 - Tsy natao hisy sehatra ara-politika ity tranokala ity.

2 - Efa maro ireo gazety manoratra ny vaovao any madagasikara, ka raha mbola tsy mahalala ny adiresy ianao dia madrosoa ato ==> FIKAMBANAN'NY GAZETY MALAGASY! Fa ho hitanao ao ireo gazety misy any Madagasikara, toy ny Midi, Tribune, Gazetiko sns....

 

=================================================================




compteur