ANTSO ATAO MIARAKA @ NARY
Ny antony namoronana ity tranokala ity moa dia ny hifandraisantsika sy hifandinihana ny zavatra tokony hatao. Ny hifanomezana hevitra. Ary ny fanatontosana azy ity dia tokony hifanampiana koa. Ary dia misy izao ny torohevitra hoe: “Inona no tokony liana sy hampiasana ity tranokala ity?”…
Isika rehetra ireo angamba dia efa mba samy mpianatra teo daholo! Isika zokiny aty Rosia no tiana ho lazaina etona. Fa ny maro @tsika angamba dia tany @ fotoana nampisy ny Firaisana Sovietika no nianatra. Ka tsy dia nisy olana loatra ny momban’ny vatsy sy ny famatsiana. Satria dia ampy sy azo nihafiana ny vola na “borsa” nomen’ny fanjakana taty.
Amin’izao anefa tsy izany intsony ny zava-misy. Eny, marina fa nitombo ny sandam-bola azo. Fa na hihafy toy ny inona aza ny mpianatra, raha tsy hoe angaha in-telo isam-bolana no misakafo ( fa tsy in-3 isan’andro
), dia tsy ho ampy ny vola azo avy @ fanjakana. Efa nisy zavatra nolazaina ihany moa ny momba an’izany. Ka raha mbola tsy namaky isika dia vakio => ato!
Ka ny fiangaviana avy t@tsika zoky, dia ny mba hanaovana ity fialazana ity ato @ tranokala. Tsara dia tsara ny mifanoro hevirtra toy izany. Ka dia misaotra indrindra. Satria ny hevitry ny maro, hono, mahataka-davitra. Koa dia misaotrra antsika izay mandray anjara sahady.

Ka toy izao ary ity filazana:
Misy zandrintsika mianatra any Varonezh. Vao tonga t@ taona 2008 teo izy. I Nary no anararany.Tonga niaraka tamin’ ireo zandrintrsika hafa koa. Efa nisy zavatra nosoratana koa ny @ izany, vakio =>ato! sy => ato! Nony tonga anefa izy, dia nanapa-kevitra fa hody avy hatrany. Satria na ny sara-dalana “Mosko-Varonezh” aza dia efa tsy nisy ny nenti-nanana . Satria dia tsy misy azony antenaina na aty na any an-tanindrazana. Nefa moa nisy t@tsika zoky niteny azy sy mba nankahery azy fa, tsy misy mafy, tsy laitran’ ny zoto. Dia nijanona ihany izy . Dia isaorana indrindra koa ireo zandry tonga niaraka taminy, saitra dia ry zareo no nahavita latsak’emboka nahatongavan’ity zandry iray ity tany Varonezh, sy nandoavany ny “A.F.”1 . Nohon’ny faniriany hianatra dia niezaka ihany izy hamita ity taona ity! Na dia tsy hisakafo aza! Ka rehefa avy eo izy, araky ny torohevitra nomena azy, vao manapa-kevitra, hoe: “hody ve sa hanohy?”…
Ka efa hifarana ity ny taona. Tsy maintsy manapa-kevitra izy. Araky ny zavatra fantatra nefa dia; rehefa vita ity taona ity , dia tsy maintsy mifindra tanàna hafa hianarana izy. Satria tsy misy ny taranja hataony ao Varonezh. Tsy misy na dia saran-dalana handehanana anefa izany zandrintsika izany. Rehefa tonga any koa izy, tsy maintsy mandoa hofan-trano, “A.F.”1 , tsy maintsy misakafo koa, na dia hoe in-3 isam-bolana aza
! Ny fitaovam-pianarana etsy an-daniny.
Ka dia hitantsika @ izany ary ny mahazo ity zandrintsika ity. Fa raha tsy manome tànana azy isika dia ho sahirana mafy izy, ary dia tsy maintsy mandao ny fianarany. Zavatra tsy dia tsara loatra angamba izany. Ary isika zoky aty Rosia dia isan’ny tompon’andraikitra @ izany.
Koa tsy dia hatao lava loatra ny resaka fa; raha lava, hono, ny ahitra, very ny kisoa . Fa raha lava ny resaka , very ny soa.
Koa dia alefa ny antso ho am-pon’ny mahalala! Andao mba hotolorantsika tànana ity zandry ity. Izany tsy midika hoe: - tokony manao zavatra tsy ho vitantsika isika, na hoe hanao zavatra hanahirana antsika, sanatria! Ohatra mba samy manome 50r na 100r (~ 3$) isam-bolana isika, izay afaka. Tsy voatery ho isika rehetra koa fa; izay afaka! Ohatra tsy afaka @ ity volana ity, tsy maninona fa @ volana ambony manome. Tsy tsara koa anefa, na ho an’ity zandry ity, ny toloram-potsiny na zatra mandray fotsiny. Fa ohatra @ vakansy mba itadiavantsika asa izy! Dia mba miasa @ vakansy.
Izany sy izany ary no zavatra tiana hampitaina amin-tsiaka! Koa dia manantena sy mino fa dia samy hisy zavatra azontsika atao ny @ izany. Izay manana fanontaniana sy afaka manampy; dia iangaviana hifandray @ mpanatontosa ity tranokala ity.
Farany, Hasiana pejy ato @ tranokala hijerevana ny fidiram-bola na ny fanampiana miditra. Ary hoe: “inona avy ny zavatra efa natao sy, nakaiza daholo ny nalehan’ny vola sy ny fanampiana!?” Satria mba tokony hazava tsara ny zavatra rehetra, mba hahatsara ny fihavanana!
Misaotra, Tompoko!
f 747

1 – Antoky ny Fotsaboana (assurance medicale)


