Ny fanirianay dia ny hampiray antsika mianakavy. Tsy hisian'ny fanavakavahana. Tsy hisian'ny fisarantsarahana. Satria tsy vitan'ny hoe lavitra tanindrazana isika, fa efa vitsy dia vitsy no aty.Henoy anie hira momba an'izany e! Tsindrio ato => GASY RAIKY AVAO E!
_______________________________
NO RAY AMAN-DRENIN'IREO ZANANTSIKA ATY!
__________________________________
Koa satria ity pejy no natao ny hitantarana ny zava-misy aty Rosia. Dia iangaviana izay manana zavatra ho tantaraina, hamabara, fiangaviana na fanasana sns... mba handefa azy aty aminay, fa hampidirina ato.
Ohatra amin'izany ireo tantaran'ny namana ( les amis de madagascar ). Misy tamin'izy ireo no efa nanoratra mikasika an'ny Tanindrazantsika sy ny momba antsika Diaspora eto Rosia. Azonao vakina ato => izany! Amin'ny teny Rosianina izy io, fa mbola ho avy ny amin'ny teny Malagasy. Tsy "Tintin" isika mianakavy.
__________________________________
Ny alahady faha-5 ny volana septambra 2008 teo dia nisy fijerevana sarimihetsika tao amin'ny tranon'i Pastora. Azonao vakina ato => ny tatitra momba izany. Dia manantena sy miandrandra ny fitohizan'izany isika mianakavy. Satria tsy misy tsara mihotra ny fihaonana, maika moa fa misy fandinihana Baiboly. MAROMAROA NY TOY IZANY!